Sosialy

3 mianaka tototry ny tany Anio ny fandevenana


  • Talata 22 Janoary 2019

Halevina anio talata 22 janoary izy telo mianaka indray maty namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny hazo sy ny fihotsahan’ny tany tamin’ny sabotsy alina lasa teo teny Tsimialonjafy Ambanin’Ampamarinana.

 

 

 Mafimafy kokoa ny tranga nahazo azy ireo raha ny fanadihadiana natao. Sady nototoran’ny tany mantsy izy ireo no main’ny afo ihany koa. Nandritra ny fotoana nanombohan’ny loza niainga teny amin’ny katedraly  Andohalo mantsy dia nambaran-dRafanomezantsoa Jean Claude,  zaodahin’ny maty fa mbola nanao volo ilay anabaviny izay ankohonana iray niaraka tamin’izy telo mianaka namoy ny ainy ireo. Antony mety niteraka ilay “court circuit” nitarika afobe teny an-toerana izany, hoy izy. Itompokolahy Haja Andrianiaina ilay zaodahiny vao 42 taona monja dia nambarany fa efa levon’ny afo ny tapany ambany, ora roa taorian’ny nisokirana ny vatany. Ho an’i Mendrika Santionatahiana kosa, ilay tovovavy kely vao 17 taona zanany vavimatoa  dia ny tapany ambony no lanin’ny afo tanteraka raha nosimatsimahan’ny afo ihany koa ilay faralahikelin’izy ireo vao valo taona monja antsoina hoe : Niantefa Ankasitrahana no sady nivoaka teo ivelany avokoa ny taona rehetra tao an-kibony. Namela hafatra manokana moa Rtoa Randimbison Salohy vady no sady renin’izy mianadahy ireto fa tena tiany ireto vady aman-janany ireto sady tsy hohadinoany mandrakizay na dia tao anatin’ny indray mipy maso aza no namoizany azy.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT