Sosialy

26 jona ao Ambohidrapeto Ankizy miisa 1.500 no hozaraina arendrina


  • Zoma 10 Jona 2022

Toy ny kaominina rehetra manerana ny Nosy dia hanamarika amim-pifaliana ny fetin’ny 26 Jona ihany koa ny kaominina Ambohidrapeto,

tarihin’ny Ben’ny tanàna Nalinirina Andriantsilavo Mihary Manantena. Raha araka ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety omaly dia hisy ny fizarana arendrina ho an’ireo ankizy tena sahirana miisa 1500. Manerana ireo Fokontany rehetra no hanatanterahana izany, hetsika izay efa nosantarina tamin’ny fanaovana didim-poitra faobe ho an’ireo zazalahy kely miisa 50. Efa nisy ihany koa ny hetsika fanamboarana kopia faobe notanterahin’ity kaominina ity ka ankizy miisa 100 amin’ireo 500 tokony hisitraka izany no efa nahazo ny anjarany. Hisy moa ny fitondrana arendrina mandehandeha manerana ny tanana ny datin’ny 25 jona ho avy izao raha araka ny fanazavana azo hatrany, hitohy amin’ny kermesy lehibe hatao ao amin’ny Fokontany Antsahamasina. Hofaranana andron’ny 26 jona kosa ny lalao baolina kitra hifanandrinan’ireo tafakatra amin’ny dingana famaranana ahitana ny sokajy senior sy veteran ka omby 2 no loka hatolotra ho an’izay mivoaka ho mpandresy amin’izany. Hisy ihany koa ny fampisehoana maro isan-tsokajiny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT