Sosialy

26 JONA AO ALASORA Zaza 160 no hoforaina, zokiolona 1000 omena fanampiana


  • Alakamisy 09 Jona 2022

Samy manana ny fomba entiny hanamarihana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-62 taona nahazoantsika ny fahaleovantena ny kaominina tsirairay avy.

Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa zazalahy kely miisa 160 hatao didim-poitra maimaim-poana no hisantarany ny fetin’ny 26 Jona ho an’ny resaka sosialy. Amin’ny Talata 14 Jona ho avy izao no hanatontosany izany manerana ireo Fokontany 20 isa samy hanomboka amin’ny 04 ora maraina avokoa. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy dia arahina fizarana fanampiana ho an’ireo zokiolona mihoatra ny 1.000 manerana ny kaominina izany mba hahafahan’izy ireo mifaly. Mikasika ny lanonana hotanterahina amin’ny datin’ny 25 Jona indray moa dia fantatra fa hisy podium goavambe hotontosaina eny amin’ny kianja maitso iarahana amin’ny mpanankato malaza Wadda sy youngs, Marion, Ariane Joy hotronin’ireo mpanankato eny an-toerana. Tsy adino ny antsan-kiram-piderana ho fisaorana an’Andriamanitra izay iarahana amin’ny Faratiana Church, Antsan’i Kristy, ny angel’s voice, izay hatao eny Ankadindratombo, hotronin’ireo antokom-pihira avy amin’ny fiangonana samy hafa ao Alasora. Hofaranana amin’ny hira gasy goavambe izany ny datin’ny 26 Jona folakandro raha eo ihany koa ny lalao baolina izay efa nanomboka iray volana latsaka izay iadiana ny amboaran’ny Ben’ny tanana ho an’ny sokajy rehetra. Feno ny fandaharam-potoana entina hanamarihana ny fetim-pirenena ho an’ny kaominina Alasora.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT