Sosialy

2019 - 2021 Niakatra avo roa heny ny vidim-piainana


  • Alakamisy 05 Aogositra 2021

Tsy nisy fidanganam-bidim-piainana nihazakazaka noho izao iainana ankehitriny izao angamba tao anatin’ny 60 taona.

 Nanara-penitra ny fitotonganam-piainan’ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy tao anatin’izay 3 taona latsaka izay ary ankehitriny moa dia efa mena ny tondro, hoy ireo maneho hevitra mikasika ny fiainam-pirenena ankehitriny. Isan’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany I Madagasikara, raha ny mari-drefy apetrak’ireo sehatra iraisam-pirenena fa manaporofo izay fahantrana izay indrindra amin’izao fotoana izao ity fidangam-bidim-piainana izay efa hita ho tafahoatra ny avo roa heny ity. Tsy misy azo atao mihitsy ve ho fanafan’izy ity? Saika miakatra avo roa heny avokoa ny vidin’ireo entana ilaina andavan’andro. 600 ariary ny farany mora indrindra amin’ny vidin’atody raha 300 sy 350 ariary izany taoriana kelin’ny fifidianana 2018. Lasa 50.000 ariary mahery koa ny saribao iray gony raha manodidina ny 25.000 ariary teo aloha. Maherin’ny 10.000 ariary ny litatry ny menaka. Ny vary dia lafo hatrany na dia fararano aza.Rehefa nohadihadiana moa ny isan’ny mpivarotra ireo vokatra miisa 2 voalaza voalohany teo dia saika fanazavana azo iadian-kevitra ihany no anton’ilay sondro-bidy. Isan’izany fanazavana izany, ohatra hoe, vitsy ny atody satria ririnina isika izao dia mangatsiaka ny akoho. Tsy efa toy izany foana ve moa izany no zava-misy isan-taona? Ny mikasika ny harona fandrehitra indray moa dia ny hoe mitombo ny hetra alaina aminy ary noferana ihany koa ny fahafahana manapaka hazo. Ny saran-jiro sy ranon’ny Jirama dia io mampimenomenona olona io, ny faktiora 2 taona lasa 150 000 Ariary, lasa 340 000 Ariary amin’izao fotoana; ary ny tena loza rehefa nampiharina ilay hoe “tarif” vaovao, ny faktiora 300 000 ariary roa volana lasa dia tonga hatrany amin’ny 500 000 ariary ankehitriny; ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano anefa tsy nitombo. Efa lasa tantara moa sisa ny kabary nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 momba ny vidin’ny menaka sy ny vary izay nolazaina fa nataon’ny Tiko sy Magro ampihimamba. 12 taona aty aoriana ilay litatry ny menaka hoe 2500 ariary nampanantenaina lasa 10 000 ariary.Tsy manam-bahaolana mivaingana sy maharitra hatreto ny fitondram-panjakana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT