2

3-n’ny Malagasy Manary zoridira an-kalamanjana


  • Talata 20 Febroary 2018

Nikolay nanoloana ny tsy fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena eo amin’ny fiainam-pirenena raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Soarano omaly ny manam-pahaizana manokana momban’ny antotan’isa eo anivon’ny ivon-toerana momba izany na ny INSTAT, Jean Baptiste Tarzan Andriamitsara.

 Tsy ampy mihitsy, hoy izy, ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena. Raha ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2012 no ho mankaty dia mbola manary zoridira an-kalamanjana avokoa ny 2/3n’ny Malagasy ary tsy manana toeram-pivoahana ny 50%. Hita ho nisy fiantraikany tamin’ny fizahantany sy ny fitantanan-draharaham-pirenena mihitsy io resaka tsy fandraisan’andraikitra io, raha ny fanazavany hatrany. Nahatarafana izany ny tarehimarika mikasika ny fitondrana tsara tantana tamin’ny taona 2015 (statistique de bonne gouvernance), izay anisan’ireo firenena vitsy nanao io fanadihadiana io moa i Madagasikara saingy mijanona ho tsiambaratelon’ny fanadihadiana kosa hatreto ny taha. Mila apetraka eto, hoy izy, ny fahefam-panjakana sy ny kolontsain’ny famaizana fa ny tsy fisian’ireo no maha te hanaotao foana ny olona. Hanatontosa fanisam-bahoaka sy hanome fanofanana isam-paritra mikasika izany moa ny INSTAT amin’ity taona ity, raha ny fanazavana, satria ireo krizy niverimberina no tsy nahafahana nanao izany teo.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT