Zotram-pifidianana ao Morondava

« Tsy misy fiantraikany ny fisiana kandida maty »


  • Alarobia 22 Mey 2024

Tsy misy fiantraikany amin’ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana amin’ny 29 mey 2024 ny fahafatesan’ny

kandidan’ny Firaisankina Mamy Claver Meryson tao Morondava ny alatsinainy teo, raha ny fanazavan’ny Mpampaka-tenin’ny CENI Atoa Soava Andriamarotafika omaly. Tsy mitovy amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy ilay kandida namoy ny ainy no soloina ny toerany, fa miakatra ireo mpiray lisitra, ka ilay farany no banga, iny no fenoina, ka tsy tokony hisy resabe intsony, hoy io olon’ny CENI io, hita tamin’ny haino aman-jery. Mikasika ilay kandida namoy ny ainy, dia fiakaran’ny tosidra no antony raha ny tomban’ny mpitsabo. Niakatra be ny tosidra, natao ny fameloman’aina sy fitsaboana rehetra, saingy tsy tana ny ainy, hoy ny mpitsabo. Mandeha kosa ny feo ao Morondava, fa nopoizinina noho ny antony ara-politika ity kandida ity. Tsiahivina fa efa kandida ben’ny tanàna tao Morondava Itompokolahy Mamy Claver Meryson, fa nofoanana ny fifidianana, ary nisy fotoana naiditra am-ponja noho ny fanenjehana ara-politika izy.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT