Nanamafy

ny KFIM


  • Alakamisy 26 Novambra 2026

tarihin’i Elia Rabevahiny

Mpisandoka izay milaza ho KFIM any ambadimbadika any»
Ny Komity fanorenana ifotony an’i Madagasikara na KFIM dia iray ihany, hoy ity vondrona ahitàna antoko politika maro ity, omaly. Ny filoha Elia Rabevahiny no mitarika ny KFIM, hoy ny fanazavàna. Manana ny «récépicé» na fahazoan-dalana laharana 1022 navoakan’ny minisiteran’ny atitany tamin’ny alalan’ny prefektioran’Antananarivo izany, hoy izy ireo. Nanangana ny KFIM ao amin’ny distrikan’ny Betafo, faritra Vakinankaratra, ity vondrona ity tamin’ny herinandro. Nampiarahana tamin’izany ny asa sosialy toy ny fizaham-pahasalamàna ireo mponina ao Betafo. Olona miisa 120 mahery no nisitraka izany. Nisy fanafody ihany koa nozaraina. Asa sosialy izay niarahana tamina mpitsabo sy mpitsabo mpanampy niaraka tamin’ny KFIM izany. Ezahan’ny vondrona ny hanaparitaka hatrany ny fotokeviny manerana an’i Madagasikara. Manentana hatrany ihany koa ireo mpikambana ao aminy handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena ho tanterahina eto Madagasikara. Mbola tsy namoaka daty moa ny fitondràm-panjakàna fa ny KFIM, izay marihina hatrany hoe iray ihany, dia ilay voalaza teo ka mpisandoka izay milaza ho KFIM ankoatran’izany any ambadimbadika any. Ny fiandrianam-pirenena sy nasionalisma no fotokevitry ny KFIM. Ireo no mitarika ny hevitra hijoroan’ireo rantsa-mangaika rehetra manerana an’i Madagasikara. Amin’ny maha hoe antoko politika maro no nanangana ny KFIM sy mpikambana ao anatiny dia manana tanjona handray anjara amin’ny fifidianana toy ny antoko politika rehetra koa izy. Manana heritreritra handray anjara amin’ny fifidianana koa izany ny KFIM fa tsy mbola manana heritreritra handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena aloha hatreto. Manohana hatrany kosa ny filoha Michael Randrianirina sy izy 4 miraharalahy mpanolontsaina avo miaraka aminy. Manohana izao fitondràna fanavaozana izao sy ny fanorenana ifotony an’i Madagasikara, araka izany, ny KFIM, ary raha milatsaka filoham-pirenena koa ny filohan’ny fanavaozana dia tohanany. Raha tsy milatsaka moa dia mbola hivoriana eo ny tokony ho atao, hoy hatrany ny KFIM tarihin’ny filohany, Elia Rabevahiny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Toe-draharaha
  • Zoma 27 Novambra 2026

politika

  • Depiote TIM
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

«Antenimiera tamin’ny

  • Depiote VFM
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

« Tsy mijery afatsy ny

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

Hanomboka amin'ny

  • Antenimierampirenena
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

Lany ho PAN vaovao i Marco Tsaradia

  • Dany Rakotoson
  • Alarobia 25 Novambra 2026

«Rehefa hajaina ny

Hijery ny tohiny
FTT