Depiote VFM

« Tsy mijery afatsy ny


  • Alakamisy 26 Novambra 2026

tombotsoany ny TIM, filam-baniny ny an’ny AVI »

Mafana ny adilahy ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Namaly ny depiote TIM teo anatrehan’ny fivoahany sy fanehoany niharihary tamin’ny alalan’ny depiote Fidèle Razarapiera, fa miverina ny sarin’ny Antenimierampirenena tamin’ny Andry Rajoelina ny depiote sasany anatin’ny VFM toa an’i Nicolas Randrianasolo. « Tsy ny TIM ihany no mpanao politika eto, fa iza moa ry zareo ? Io na miala ry zareo tsy maintsy miroso ny fifidianana, olona 12 izy ireo no teo », hoy ity farany. Nilaza fa misy antony matoa nanapa-kevitra ny depiote hanala ny teo aloha. Hampizotra amin’ny filaminana no natao. Ho an’ny AVI dia filam-boatsiary, nahoana ianao no hanao kandida kanefa izao ariva izao vao tonga, kanefa efa nikatona tamin’ny 4ora ny firotsahan-kofidiana ? hoy i Nicolas Randrianasolo. Nilaza kosa i Pety Rakotoniaina, fa tsy mijery afatsy ny tombotsoany ny TIM, fa ny fitiavan-tenany. Efa be dia be ny olony napetraky ny fitondrana na ao anatin’ny governemanta, na ao anatin’ny Antenimiera,… dia mbola tsy afa-po izy fa mety mieritreritra ihany koa izy fa tokony homena azy ny PAN. « Efa betsaka ny fanoherana nataonareo ny fitondrana nisy teo, saingy tokony ho fantatrareo fa tsy afaka nanala an’i Andry Rajoelina ianareo raha tsy nijoro i Kolonely », hoy hatrany i Pety Rakotoniaina. Nilaza ity farany fa tsy manohana ny fitondrana ankehitriny ny TIM fa mihatsaravelatsihy ka hafatra ho an’ny PRRM dia ny hoe : niseho androany ny miafina, ary miavaka ny vary sy ny tsiparifary. Nanome toky, fa ry zareo izay nametraka ny PAN vaovao Marco Tsaradia dia tsy maintsy manohana ny Filoham-panjakana ary hatramin’ny farany. « Ny hafatray aminareo TIM, dia hoe ny fitiavan-tenanareo, dia tsy hisy hanaiky an’izany eto », hoy i Pety Rakotoniaina. Taratry ny ady mangotraka ao Tsimbazaza. Miverina indray ny adihevitra mikasika ity andrim-panjakana ity. Somary nahagaga ihany hoe : toa nisy ihany ny firaisam-peo tamin’ny nanonganana an’i Siteny Randrianasoloniaiko saingy nivadika ny rasa rehefa nifidy izay ho solony satria mety samy manana ny kajy sy ny tombotsoa politikany ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Toe-draharaha
  • Zoma 27 Novambra 2026

politika

  • Depiote TIM
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

«Antenimiera tamin’ny

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

Hanomboka amin'ny

  • Antenimierampirenena
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

Lany ho PAN vaovao i Marco Tsaradia

  • Nanamafy
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

ny KFIM

  • Dany Rakotoson
  • Alarobia 25 Novambra 2026

«Rehefa hajaina ny

Hijery ny tohiny
FTT