Politique

Zon’ny Diaspora hifidy Niara-nidinika tamin’ny ICMPD ny raharaham-bahiny


  • Alarobia 25 Janoary 2023

Notanterahina teto anivon’ny Ministeran’ny Raharam-bahiny ny famaranana ny dinika momba ny fomba afahan’ireo Malagasy am-pielezana na Diaspora misitraka ny zon’izy ireo hifidy.Nitarika an’io ny Ministera

ary nandray anjara sy niara-niasa tamin’izany ny ICMPD (International Centre for Migration Policy Development) nanomboka ny volana aprily 2022 ka nijerena ny fomba rehetra afahana manatanteraka ny zo hifidy ho an’ireo mpiray tanindrazana any ivelany, araka ny tatitra. Nandray anjara tamin’ny fihaonana ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora, ny Ministeran’ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana, ny Ministeran’ny Fitsarana, ny CENI ary ny Vondrona eropeanina izay mamatsy vola ny tetikasa. Hitohy hatrany ny dinika iarahana amin’ireo mpisehatrra samihafa toy ny fiarahamonim-pirenena afahana manolotra ny tolo-kevitra mifandraika amin’izany eo anivon’ny fanjakana mahefa. Raha hiverenana hatrany, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no nampanantena an’io nandritra ny fihaonana tamin’ireo Diaspora tany Frantsa ny aogositra 2021 ka manomboka ny fifidianana 2023 no nambara fa hahatanterahan’izany. Vonona hiditra amin’ny fikitihana sy fanovana ny lalàm-pifidianana ary ve ny Fanjakana Rajoelina? Hanao ahoana ny hoenti-manana ara-bola? Ny diaspora any Frantsa ihany sa maneran-tany ? Tena ho tratra amin’ity 2023 ity ve ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT