Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA
dia efa hita sahady ny fiovana. Fanombohana ihany iny natao iny tahaka ny fametrahana jiro teny Antohomadinika, Ampamantanana sy Andohan’i Mandroseza. Ny fanadiovana lakan-drano teny Antohomadinika 3 G Hangar sy Andranomanalina ary ny fanombohana ny tetikasa lavadrano teny Mahatony omaly alatsinainy. Voarain’ireo mponina eny amin’ny faritra Iva ny hafatra. Efa nisinisy ihany izay fanampanantenana natao teny izay, indrindra fa isaky ny ho avy ny fifidianana, saingy ny teo aloha ihany no miverina rehefa vita ny fifidianana. Aoka izay, ampy kosa izay hoy ry zareo avy ao amin’ny fikambanan’ny ambany tanana miray, nahitana ny FTMR6 sy ireo solontena avy amin’ny 192 fokontany.Tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony izahay fa mila olona tena miasa ary anome asa anay, ka i Zoky Tahina no hitanay hoe mahafeno io fepetra io hoy izy ireo ny 15 oktobra lasa teo teny Andrefan’Ambohijanahary. Tsy mety intsony ilay vahoaka madinika atao tohatra fiakarana hoy ny Tanora Miharisoa 67ha na TMS teny Ankasina 67 ha ny 17 oktobra . Mila olona tena hiasa , hiasa ho an’ny vahoaka tokoa izahay fa tsy hanao fitaovana politika ny vahoaka fotsiny. Ny asa vita no mamaritra ny olona mendrika hitantana ny tanàna, hoy i Tahina Razafinjoelina ka tsy maintsy mifampitsinjo isika, ny zanakareo no ho tsinjovina amin’ny asa iarahantsika manao. Vahoaka tsy an’asa manodidina 60 kosa no nanomboka ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo (AMA) teny Antohomadinika centre ny 18 oktobra, tsy misy resaka be fa tonga dia asa…natomboka ny fanadiovana ny lakan-drano izay nofy ratsy mihitsy ho an’ny mponina eny satria sady mandoto tanàna no miteraka aretina. Tahaka izay ihany koa ny teny Andranomanalina ny faran’ny herinandro teo nihaonan’ity kandida ity mivantana tamin’ny mponina, nahitsy sy nivantana ny fomba firesaka, tsy misy sinema na ankiafinafina. Mila zavatra maharitra izahay, hoy ireo mponin’Andranomanalina fa tsy hoe alaina sary dia vita ny sôkôla. Izany mihitsy no izy hoy i Zoky Tahina, mila mianatra ihany koa, satria zava-dehibe ny fanabeazana, tsy maintsy mifanampy isika , hoy izy ka raha io rano io no olana, dia ho avy ny moto pompe hanesorantsika an’io. Izahay tsy mila famitahana intsony, hoy ireto vahoaka eny amin’ny faritra iva ireto fa izay tena miasa sy mahavita ary mahalala ny laharam-pahamehana no jerenay. Hitanay fa hafa mihitsy i Prezida Tahina, hoy izy ireo ary mahatoky azy izahay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.