Zo tsy azo henjehin’ny depiote Fetra

Tsy noraisina ny fitoriana, niala bala ny HCC…


  • Zoma 23 Febroary 2024

Tsy noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena na ny HCC ny fitoriana,

fampahafantarana ny maha tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny fisamborana ny Depiote Fetra Ralambozafimbololona, izay nosamborin’ny Fanjakana ny 08 novambra 2023, noho ny filazana azy ho nanao fitarihan’olona hanao fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana. Nisy ny fangatahana ny hevitry ny HCC nataon’ny mpisolovava, ary nandrasan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany mialohan’ny hamoahana ny didy mikasika ity depiote sady Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM, izay tokony ho amin’ny 12 martsa ho avy izao. Anton’ny fangatahana ny fisian’ny fepetra voalazan’ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenana manao hoe : « Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina, karohina, samborina, tànana am-ponja, na tsaraina noho ny hevitra naposany na latsa-bato nataony teo am-panaovana ny asany. Tsy misy Solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra mandritra ny fotoam-pivoriana raha tsy nahazoan-dàlana tamin'ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby. Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo samborina ivelan'ny fotoam-pivoriana, raha tsy nahazoan-dàlana tamin'ny Biraon'ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby, noho ny fanenjehana nomena alàlana na ny fanamelohana tanteraka,…». Nambara fa ny fitsirihana ataon’ny HCC dia tsy mihatra raha tsy amin’ny zava-mitranga manana endrika lalàna na fitsipika. Milaza ny HCC fa fangatahana ny fahitan’ny HCC ny fandikana ny voafaritry ny lalàmpanorenana no nangatahana, ka nailika tany amin’ny hoe : ny filohana andrim-panjakana sy ny avy amin’ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no afaka manao izany,… Andrasana izany ny ho fandehan’ny didy mikasika ity depiote ity taorian’ny karazan’ny fialan’ny HCC bala mikasika ny raharaha momba azy. Ny olom-panjakana sasany izay efa nanitrikitrika fa tsy tratra ambodiomby, ary tsy misy hidiran’ny « immunité parlementaire ». Ao anatin’ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana depiote no miseho, ka hirotsaka ve ny didy politika mety hanana endrika sakana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT