Politique

Zo tsy azo henjehina ho an’ny depiote Hirosoana ny fanalana azy ?


  • Zoma 19 Jolay 2019

Mitreraka resa-be ireo solombavambahoaka manana raharaha eo anivon’y Fitsarana na ihany koa voarohirohy amina heloka hafa satria tsy mbola afaka atao fanadihadiana izy ireo fa manana ilay zo manokana.

 

 

 

 Ny depiote na loholona dia misitraka ny zo tsy azo enjehina. Ny Lalàna no mametraka azy ary ny manala azy ihany koa dia lalàna no mametraka azy. Tsy fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena irery ihany anefa izany fa tsy maintsy misy fihaonana handinihana amin’ireo birao maharitra ny fampiharana ity «levée parlementaire» ity. Tsy azo avoaka ny didy fisamborana raha tsy miala ny zo tsy azo enjehina. Eo anivon’ ny Antenimiera ny fomba hanalana izay zo izay. Amin’ny alalan’ny fivorian’ny vaomiera manokana mandinika ny mampitombina na tsia ny fangatahana izany. Manapaka ny amin’izay fanalana ny zo tsy azo enjehina izay na tsia ny birao maharitry ny Antenimiera fa tsy ny filohan’ilay Andrimpanjakana irery raha tsy ao anatin’ny fivorian’ny Antenimiera ny raharaha. Raha ao anatin’ny fotoam-pivoriana ilay Antenimiera, ny fivoriamben’ny mpikambana ao anatin’ilay Antenimiera no manapaka ny fanekena na fandavana ny fangatahana ny fanalana zo tsy azo enjehina. Afaka nialokaloka tao ambadik’’io zo tsy azo henjehina io ny parlemantera maro hatramin’izay, milaza hampihatra ny tena mangarahara ary tsy hitsitsy ireo mandika lalàna ny fitondrana ankehitriny na iza io na iza koa dia ho hita eon y tohiny.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT