Na ny namana aza tsy
itokisana intsony amin’ny kolikoly ! Misy te hamingana ! »
Namafisin’ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fitondrana am-bavaka azy teo anivon’ny Fiangonana FJKM ny faran’ny herinandro teo, ny fametrahana Fanjakana tsara tantana sy ady amin’ny kolikoly, ka nampahatsiahivany fa eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato amin'ny fakana ny vola 35€ ataon’ny Mada OZI, saran'ny "VISA", izay tsy nirotsaka akory tany amin'ny Fanjakana na ilay 12€ tokony ho naloany aza. Ankoatra izay dia mbola ady ataon'ny Fanjakana Fanavaozana ihany koa ny ady amin'ny fanondranana volamena an-tsokosoko. Nisy ny "guichet unique" napetraky ny Ministeran'ny harena an-kibon'ny tany. Vao tsy ela akory izay, hoy ny PRRM, no nisy volamena 13 kg tratra kanefa rehefa nojerena ny taratasy dia 1 kg ihany no nambara ara-dalàna. "Raha volamena 100 taonina aondrana mankany Dubaï isan-taona fotsiny anefa no atao manara-dalàna dia tokony hahazoantsika 10 miliara dôlara isan-taona", hoy ny Filoha. Tsy nisorona ny Filoha nilaza fa "ireo fanenjehana, fanakorontanana sy kononkonona ambadika isan-karazany ireo dia iray ihany no mibaiiko an'io". "Na ny namanay aza dia tsy azo itokisana intsony amin'ny resaka kolikoly. Na fianakavian'iza na iza tafiditra amin'ny raharaha iray dia tsy maintsy hanaovana fanadihadiana", hoy ny PRRM. Ankoatra izay, naneho ny tenany, fa misy amin’ireo akaiky azy no te hamingana sy manao fomba ratsy hanozongozonana Fanjakana. Tamin’ireny tolona ireny dia tena mafy, nivavaka ny fiangoanana nivavaka, fa mba nanao ny nataony ihany koa ny andaniny nampiasa ody gasy mba hampandresena ny tolona. « Velona indray, tsy olona lavitra, fa olona akaiky ahy ny ankamaroany, mbola miverina ireny olona ireny satria mieritreritra fa ny zavatra nataony no nampandresena ny tolona. Mpiandry no nentina nentina nidina teny Analakely fa tsy nitondra ombiasy sanatria », hoy izy. Nambarany fa olona sasany tamin’ireny dia misy mieritreritra hoe ny zavatra nataony no nampandresy ny tolona. « Amin’izao mety tsy mahazo tombotsoa izy, olona eo akaiky ihany fa tsy lavitra, olona manana andraikitra amin’ity firenena. Maro amin’izy ireny izay tsy iray tsy roa, miverina miantso ireny olona nampiasainy ireny hanesorana, hanonganana Fanjakana ! Be dia be izy fa tsy iray ihany, ary rehefa mandeha amin’ny tambajotran-tserasera ity kabariko ity, dia mahafantatra izy », hoy hatrany ny PRRM. Namafisiny fa olona akaiky azy ny ankamaroany, ary miverina miantso an’ireny mpimasy ireny hanonganana azy. Nambaran’ny PRRM fa mandalo fotoan-tsarotra ny Firenena. Nisy fotoana, hoy izy, tamin’ny volana aogositra sy septambra teo, dia vono olona no natao, sorona,… noho ny fitiavan-karena sy fahefana. Tsy nahomby, ka miverina manao indray izao, ka raha mahita ianareo dia be dia be ny lozam-pifamoivoizana, betsaka ny Malagasy matin’ny lozam-pifamoivoizana. Mitombo ihany koa ny tanàna may izay sesilany. « Izay no itsanganana eto androany, mangataka amin’ny Malagasy mba tena hivavaka, fa raha ny zavatra ataon’ny devoly dia tsy hametraka antsika hilamina », hoy hatrany ny PRRM Randrianirina Michael. Ny Malagasy hatrany no lasibatra amin’ny fitiavam-pahefana. Ny mampalahelo dia tsy lavitra, akaiky ahy, miara-miasa amiko eo, dia mandeha makany amin’ny ombiasy haminganana, raha ny nambarany, ka nilazany fa herim-po very maina rehefa tsy ankasitrahan’Andriamanitra hiongana ny Fanjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.