Tontosa tao Antsohihy ny lanonana
ofisialy nankalazana ny faha-68 taonan’ny nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny Repoblika Voalohany Malagasy, izay tsaroana isaky ny 14 Oktobra. Nanaingo sy nanome hasina manokana ity fotoana manan-danja eo amin’ny tantaram-pirenena ity ny fahatongavan’ny delegasiona avy any amin’ny Repoblikan’i Tchad, notarihin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Tchadiana, Ali Kolotou Tchaïmi. Niainga tamin’ny fandraisana ofisialy natao teny amin’ny seranam-piaramanidin’Antsohihy ny fandaharam-potoana, ka ny andia-tafika sy mpitandro filaminana izay nanome 676 isa notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely Randrianirina Michaël, amin’ny maha Filoha Faratampon’ny Foloalindahy azy, no nandray sy niarahaba ireo vahiny manan-kaja samihafa. Nampiavaka ny lanonana ny fandraisan’anjaran’ireo solontena avy amin’ireo faritra 24 manerana an’i Madagasikara. Naneho ny haren’ny kolontsaina sy ny maha samy hafa nefa miray hina ny Malagasy tamin’ny alalan’ny fampisehoana sy ny hetsika nokarakaraina. Nandray anjara mavitrika ihany koa ireo mpilatro avy amin’ny distrika fito mandrafitra ny Faritra Sofia. Anisan’ny nisongadina nandritra ny lanonana ny fandraisan’anjaran’ny tanora Gen-Z, izay nomena sehatra manokana hanehoana ny anjara birikiny amin’ny fanorenana firenena sy ny fiomanana amin’ny hoavin’i Madagasikara. Naneho ny fifamatoran’ny taranaka sy ny fanohizana ny ezaka fampandrosoana izany. Nanamafy ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael, fa « tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara ka izay no nandehako mivantana aty an-toerana ampisehoana, fa niezaka i Dadabe Tsiranana na maro aza ny olana, ka ny ezaka nataony no hotohizana lalandava mba hampahaleo tena tanteraka ny vahoaka Malagasy. » Tao anatin’ity hetsika ity ihany koa no nisian’ny Fikambanana Fanjiry, tarihin-dRamatoa Elisa Randrianirina, vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana. Nampiseho ny anjara toeran’ny vehivavy eo amin’ny fiarahamonina sy ny fampandrosoana izy ireo, tamin’ny alalan’ny hetsika sy fampirantiana samihafa. Nisy ireo fotodrafitrasa maro notokanana tany an-toerana tao anatin’ny roa andro toy ny fanavaozana ny EPP Philbert Tsiranana Anjihamangirana, ny famatsiana rano fisotro vaovao mamatsy fokontany maro, ny fotodrafitrasa vaovao natolotry ny CLAC sy ireo ivontoerana fampielezana boky sy fanabeazana ara-kolontsaina. Amin’ny ankapobeny, natao ho mariky ny firaisankina sy ny fihavanam-pirenena ny fankalazana ny faha-68 taonan’ny Repoblika Voalohany tao Antsohihy, izay tanjona ny hanao fankalazana eran’ny Nosy isan-taona manomboka ny 2027.
NOVALIANA NY FANGATAHAN’NY MPONINA…
Namaly ny fangatahan’ny mponina ny Filoha RANDRIANIRINA Michaël tamin’ny fanambarana fa hatsaraina. Ireo teboka mainty amin’ny RN32, hotadiavina ny famatsiam-bola hanarenana ny tsena, ary hampitaovana “scanner” ny hopitaly ao Antsohihy. Momba ny fanamboarana ny tsena dia nasainy natolotra azy avy hatrany ny tombam-bidy sy ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany. Nandritra io fihaonana tamin’ny vahoaka io ihany koa no nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Lehiben’ny Faritra SOFIA. Ho mariky ny fanohanana sy ny fihavanana dia nanolotra 10 tapitrisa ariary ho an’ireo Sojabe sy 50 tapitrisa ariary ho an’ny vahoaka ny tenany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.