Politique

Zaza Ramandimbiarison «Voahitsakitsaka ny hasin’ny foloalindahy»


  • Talata 27 Jona 2023

Ry Anabavy sy Rahalahy, "Tandroka aron’ny vozona", fotoana izao hampisehoana ny fotokevitra ijoronareo dia ny " Ho an'ny Tanindrazana",

hoy ny mpanao politika sady praiminisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Amin'izao fankalazana ny fetin'ny foloalindahy sy ny niverenan'ny fahaleovantena izao ary manoloana ny fananan'ny ny filohan’ny repoblika malagasy zom-pirenena frantsay dia mandalo fotoana sarotra ny firenena, hoy izy. Mandry tsy lavo loha ny vahoaka malagasy; very fanahy mbola velona. Sarotra amin'ny malagasy ny mbola hino fa hiantoka tanteraka fiarahamonina madio tsy misy tomika ho an’ny malagasy andriamatoa Andry Rajoelina. Mahantra ny malagasy. Kamboty tsy manana raiamandreny izay hiaro marina sy feno ny zony. Ny filohan’ny repoblika no miantoka ny fiarovana sy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena na anatiny na ivelany. Izy no komandy fara-tampon’ny foloalindahy, araka ny lalàmpanorenan'i Madagasikara. Indrisy anefa, ny filohan’ny repoblikan'i Madagasikara, andriamatoa Andry Rajoelina, komandy faratampon’ny foloalindahy, araka ny lalampanorenan’i Madagasikara, dia nataon' ny firenena frantsay “Naturalisation" frantsay ny 19 novembre 2014 ary nivoaka tamin’ny Journal Officiel frantsay ny 21 novembre 2014. Izany hoe manana zo feno maha olompirenena frantsay azy. Voahitsakitsaka ny hasin'ny tanindrazantsika. Voahitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena. Tsy misy ny maha firenena mahaleotena an’i Madagasikara intsony, izay neken'ny "Charte des Nations Unies" ho hisy sy hahaleotena. Voahitsakitsaka ny hasin'ny foloalindahy izay tokony mijoro, miaro ny fiandrianam-pirenena sy izany fahaleovantenan'i Madagasikara izany. Fotoana izao ry Anabavy sy Rahalahy "Tandroka aron’ny vozona" sy mpiray tanindrazana hijoroana sy hahasahiana fa ny tanindrazana no aloha sy ambon’ny zavatra rehetra ho anareo foloalindahy. Tanindrazana izay efa namonoan'ireo raiamandreny ny ainy tamin'ny ady ho an’ny fahaleovatenantsika mba hiadanan'ny ambany lanitra. Masina ny tanindrazana. Mahereza, soava tsara! Mitomboa hasina ry Anabavy sy Rahalahy "tandroka aron’ny vozina", hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT