Zaza Ramandimbiarison

«Tsy rariny ary tsy azo ekena intsony ny zava-misy»


  • Zoma 05 Septambra 2025

Mila Raiamandreny fa tsy mpanjakazaka isika, hoy ny

praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Rehefa voahitsakitsaka ny fihavanana, hoy izy, dia mijaly ny firenena. Raha ireto zavatra ireto no hita manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara dia mandroso marina sady sambatra ny malagasy; tsara ny fari-piainan'ny malagasy, misy fitoniana ara-bola, miasa miaraka amin'ny karama mendrika sy toe-piainana tsara, salama tsara, mahazo fahafahana malalaka hampivelatra fahaiza-manao amin'ny alalan'ny fampianarana mora sy manara-penitra, manana trano fonenana milamina sy azo antoka anaty fandriampahalemana tanteraka, mifandray mora amin’ny hafa na ara-batana na amin’ny alalan’ny teknolojia, miaina anaty fiarahamonina milamina. Indrisy, tsia ny valiny amin’ny ankapobeny. 80 isan-jaton’ny malagasy dia mbola mahantra sy fadiranovana. Mandry tsy lavo loha. Tsy rariny ary tsy azo ekena intsony ny zava-misy. Ny Raiamandreny, izay tokony ho tandroka sy maso ho an’ny firenena, toa manitsakitsaka ny fihavànana mihitsy? Ny fitondràna dia tsy voninahitra fotsiny fa adidy masina amin’ny vahoaka tsy ankanavaka. Tsy azo ekena ny mangatsiaka an-kavanana, mafana an-kavia, na manilika ny sasany, na ho 10, 12, na 14, nefa maro an’isa no mpanaraka sy tia ny fotokeviny. Ny maha malagasy antsika dia ny mihaino, mifampitsinjo, ary indrindra ny mifampihavana. Ny fihavànana no hazon-damosin’ny firenentsika. Rehefa miorina amin’ny fihavanana ny fitondràna dia miorina amin’ny fandriampahalemana sy fandrosoana ny firenena. Ankehitriny, ny banga no manjaka, ny tsy mahalala no manintona ary ny adala no mampitony ny vahoaka reraka. Efa ivadihan’ny tany sy ny lanitra fa ny feon’ny hendry tsy re, mangina. Toa verivery anaty aloka ny fahendrena ka ny horakoraky ny adala no lasa lalàna sy didy. Ny tsy fahaizana dia lasa voninahitra.
Ny tabataba no mahazo seza ary ny fahaizana dia ankasitrahana ihany raha tsy manohitra. Indrisy! Mila fanovàna ny fomba fitondràna ny firenena. Mila Raiamandreny hendry, manam-pahaizana, tsy ho mpitondra manjakazaka, fa ho Raiamandreny mpanompo ny malagasy rehetra tsy ankanavaka. Tsy hijery ny tombotsoany fa hijoro ho mpandala ny rariny sy ny fihavànana ary hametraka tontolo iainana hahafahan’ny malagasy hifampihaino, hifampitsinjo, hifampanaja, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT