Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Tonga ny fotoana hanovana, hoy izy! Nanomboka ny taona 1990, nanapa-kevitra hifidy ny «néolibéralisme» i Madagasikara noho ny tsindry avy amin'ny sehatra iraisampirenena. Ity safidy ara-toekarena ity napetraka taorian'ny faharavan’ny maodely sosialista tamin'ny taona 1970 dia natao ho famonjena ny toekarena nasionaly saingy 30 taona mahery aty aoriana, ny zava-misy dia mampalahelo sy mahakivy; fahantrana lalina, kolikoly mihanaka, fahaverezan'ny fahaleovantena, ary fitomboan’ny elanelana misy eo amin’ny mpitondra izay miha betsaka harena sy ny vahoaka maro an’isa miha mahantra isan’andro. Ny vahoaka malagasy dia mendrika fiainana tsaratsara kokoa. Tsy nahomby teto Madagasikara ny maodely “néolibéral”. Ny “néolibéralisme” dia miorina amin'ny fitsipika tsotra nefa masiaka. Fanjakana kely nefa mavitrika, fanomezana sehatra ny tsy miankina amin’ny sehatra fototra, fifanaraham-barotra malalaka, fidiran’ny «multinationales» na fanalalahana ara-barotra tsy voafehin’ny fanjakana, fanalefahana ny fitsipika ara-barotra sy politikam-bola henjana. Ity maodely ara-toekarena ity notohanan'ny FMI sy ny hery tandrefana dia nampanantena fampandrosoana maharitra fa eto Madagasikara, zavatra mifanohitra amin’izany no hita. Isan-taona, miliara Ariary no ampidirina ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ho fanohanana ny fanatanterahana an’io maodely io. Fanampiana izay tokony ho fanafoanana ny fahantrana sy ho famerenana ny fandrosoana saingy amin’ny tena izy, ireo fanampiana ireo dia nanamafy ny fahefan’ny vitsy an’isa ao amin’ny fitondrana, manome vahana ny kolikoly ary tsy misy tatitra mazava ho an’ny vahoaka. Vao haingana izao, nisy fifanarahana tamin’ny “multinationales” nosoniavin’ny mpitondra fanjakana, tsy nisy mangarahara. Ny vahoaka kosa dia miaina anaty fahantrana lalina sy tsy fandriampahalemana. Firenena amidy amin’ny «globalisation» na fanatontoloana ara-toekarena. Ny “globalisation néolibéral” dia nanova an’i Madagasikara ho tanim-panjanahan’ny «multinationales». Ireo orinasa vahiny ireo no manararaotra ny harena voajanahary, ny mpiasa karamaina amin’ny vola kely tsy hahafahana mitahiry ny ho avy akory, tsy misy tombontsoa ho an’ny vahoaka mihitsy. Tsy mandroso ny firenena fa miha-miankina amin’ny fanampiana kely, amin’ny fanafarana entana izay ilaina, eny na ny vary foto-tsakafon’ny malagasy aza amin’ireo firenena matanjaka. Very ny fahaleovantena ara-toekarena, ara-kolontsaina ary ara-politika. Izany fiankinan-doha izany no mahatonga fikorontanana ara-tsosialy, ara-politika ary ara-toekarena. Miharihary ankehitriny fa mitarika fahatezeram-bahoaka lalina izany. Maro amin’ny Malagasy no mijoro amin’ny hevitra nasionalista, mametraka fa loza mitatao ho an’ny firenena ity rafitra néolibéral ity. Fotoana izao hanombohana modely ara-toekarena nasionaly sy mahaleotena mifototra amin’ny tombontsoan’ny malagasy. Ny asa mendrika, fototry ny fanavaozana nasionaly mihoatra lavitra noho ny politika ara-toekarena, ny asa mendrika no tena antoky ny fandrosoana maharitra eto Madagasikara. Tsy misy firenena afaka mivoatra raha tsy mamokatra sy manangana amin’ny alalan’ny asany manokana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.