ZAZA RAMANDIMBIARISON

"Nofiko ny hoe Repoblika vaovao


  • Alatsinainy 20 Jolay 2026

manome hasina ny olom-pirenena"

Hatramin’ny ela, i Madagasikara dia mbola mitady ny lalana tokony halehany, hoy ny fanehoan-kevitr'i Zaza Ramandimbiarison. Ireo krizy nifanesy niainana, hoy izy dia manery antsika handinika lalina, tsy ny rafitra sy ny andrim-panjakana ihany, fa indrindra koa ireo soatoavina tokony hanorenana ny Repoblika tiantsika hatsangana. Amin’izao toe-draharaha iainan’ny firenena izao, dia misy fanontaniana iray tokony hapetraka ihany koa, hoy izy. Hita fa miverina eo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina sy ny politika ireo olona maro efa fantatra tamin’ny lasa, na avy amin’ny sehatra politika izany na avy amin’ny sehatra hafa.Mampiseho ny traikefany, ny lazany na ny fahaizany mifandray amin’ny olona izy ireo. Kanefa, ny fanavaozana ny Repoblika dia tokony hampiditra fomba fijery vaovao isika hoy i Zaza Ramandimbiarison dia ny hoeb : tsy ny laza sy ny endrika aseho amin’ny besinimaro ihany no tokony handrefesana ny olona mitondra andraikitra, fa indrindra ny asa vita, ny vokatra azo ary ny tena fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy tokony hiverina amin’ilay fomba fanao taloha fotsiny isika, izay ny endrika ivelany sy ny kabary matetika no misongadina. Ny Repoblika vaovao dia tokony hanome lanja ny andraikitra, ny fahamendrehana ary ny porofo amin’ny alalan’ny asa sy ny vokatra hoy i Zaza Ramandimbiarison. Ny fanavaozana ny Repoblika dia tsy tokony ho fanovana rafitra fotsiny ihany. Tokony ho fanovana fomba fijery ihany koa: fomba fijery momba ny maha-olona, momba ny maha-olom-pirenena, ary momba ny anjara andraikitry ny tsirairay amin’ny fananganana ny Firenena. Tsy hisy Repoblika matanjaka raha tsy misy olom-pirenena matoky tena sy mifampatoky, hoy hatrany ny fanazavany .Ny fanomezana hasina ny olom-pirenena tsotra dia tsy midika hoe miala amin’ny fandrosoana na ny fahombiazana. Midika kosa izany fa ekena fa ny tena haren’ny firenena dia ireo lehilahy sy vehivavy Malagasy an-tapitrisany izay manao ny adidiny isan’andro, na tsy malaza aza. Angamba ny fototra voalohany amin’ny fanavaozana an’i Madagasikara, hoybizyv dia ny famerenana amin’ny Malagasy tsirairay ny hambom-po amin’ny maha olom-pirenena tsara, ilaina ary tompon’andraikitra azy.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT