tsy manome baiko hanaovana fitsirihana?»
Ny tena fitsarana dia tsy amin’ny olona iray, hoy ny praiminisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison, fa amin’ny fanjakàna malagasy mihitsy. Tsy raharaha ara-pitsarana tsotra ny raharaha Mamy Ravatomanga, ilay mpandraharaha akaikin’ny filoha teo aloha, Andry Rajoelina, hoy izy. Izy dia manambara olana lalina kokoa, olana fototra. Fanjakana iray voasaringotra ao anatin’ny fifangaroan’ny tombontsoa manokana sy ny tombontsoam-bahoaka. Eo ambany fitondran’i Rajoelina, ny fitantanana ny raharaham-panjakana dia toa rafitra mafia ahitana fifamatoran’ny vola, ny fahefana ary ny fahanginan’ny andrim-panjakana. Ao ambadik’ity raharaha ity dia mipetraka fanontaniana lehibe ho an’ny rehetra, iza marina no mitantana ny fanjakàna? Iza no manara-maso? Iza no mandoa ny vidiny? Ravatomanga, sarin’ny rafitra miasa mangina. Ny raharaha Ravatomanga dia fitaratry ny fomba fiasan’ny fitondrana ankehitriny. Mpandraharaha manana fahefana sy tambajotra manerana ny sehatra rehetra, manomboka amin’ny toekarena ka hatramin’ny politika, manana rohy lalina amin’ny fitsaràna sy ny sehatra ara-bola ary misy fikorianan’ny vola mankany ivelany sarotra arahina. Eo am-panaovana izany rehetra izany, malemy ny fanjakàna, misalasala ny fitsaràna ary tsy re ny feon’ny vahoaka. Manomboka miroborobo ny fahatezerana manerana ny firenena satria efa lasa rafitra niorim-paka ny kolikoly sy ny fifampihavanana amin’ny tombontsoa. Satria ireo andrim-panjakàna tokony hiaro ny mangarahara toy ny Banky foibe, Tahirim-bola nasionaly, Fitsaràna dia toa mangina tanteraka, na matahotra, na tafiditra ao anatin’ilay rafitra ihany koa. Mampametra-panontaniana ny vahoaka. Ahoana no nahafahan’ny vola an’arivony tapitrisa nihetsika sy nentina tany ivelany tsy nisy fanairana na fanadihadiana? Raha marina fa nisy volam-panjakàna nandalo tamin’ny Banky Foibe na ny «Fonds souverain»,izany hoe ny tahiry fiandrianana, ka nentina tany Maorisy, nahoana no tsy mbola nisy fanamarinana natao am-pahibemaso? Nahoana ny Praiminisitra ankehitriny no tsy manome baiko hanaovana «audit» na fitsirihana mangarahara mba hanazavana amin’ny vahoaka? Fampisafotofotoana sa fiverenana amin’ny rariny? Maro no mino fa tsy tena fitsaràna akory ity raharaha ity fa fampisafotofotoana politika indray. Tetikady hanehoana ivelany fa miady amin’ny kolikoly ny fanjakàna kanefa ny tena tambajotra manodidina ny fahefana sy ny vola dia mbola tsy voakitika akory. Raha tsy ho rava sy ho hita mazava ireo tambajotra ireo, raha tsy hohadihadiana sy havaozina ireo andrim-panjakàna dia hijanona ho ao anatin’ilay faribolana mahazatra i Madagasikara. Olana iray, loha iray mianjera fa ny rafitra mitoetra. Ny vahoaka malagasy dia reraka amin’ny fampanantenàna. Tsy mila “seho ara-pitsaràna” fotsiny izy fa mila fahamarinana, mangarahara ary fanavaozana marina. Raha tsy tonga amin’ny tena fanadiovana ny fanjakàna ity raharaha ity dia hirodana hatrany ny fitokisan’ny vahoaka sy ny fahatsapàn’ny rehetra ny rariny. Tonga ny fotoana tokony hanovàn’i Madagasikara ny kolikoly ho lasa fanavaozana. Izay no tena fitsaràna tokony hatao, tsy amin’i Mamy Ravatomanga irery, fa amin’ny rafitra iray manontolo izay nanao kolikoly ho toy ny fomba fitondrana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.