Zaza Ramandimbiarison

"Mila tetezamita atao tsikelikely"


  • Talata 04 Aogositra 2026

Nandritry ny 60 taona mahery dia

nifantoka teto Antananarivo ny ankamaroan'ny fahefàna sy ny fanapahan-kevitra, hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Na dia efa nisy aza ny ezaka momba ny fitsinjaram-pahefàna, hoy izy, dia mbola maro ny faritra mahatsapa fa taraiky amin'ny fampandrosoana. Mety ve raha dinihintsika ny fomba vaovao handaminana ny fanjakàna mba hanakaiky kokoa ny fahefàna amin'ny vahoaka sy ny faritra? Ny fanjakàna federaly dia tsy midika velively hoe mizara na mampisaraka an'i Madagasikara. Madagasikara dia hijanona ho firenena iray ihany. Saina iray, lalàmpanorenana iray, filoha iray, tafika iray, vola iray ary firenena iray tsy mivaky. Ny hiova dia ny fomba fitantanana. Ny faritra dia hahazo andraikitra sy fahefana bebe kokoa hitantana ny fampandrosoana azy, toy ny fambolena, rano, lalana, fahasalamàna, fanabeazana, fizahantany ary fampandrosoana ara-toekarena. Raha ny fijeriko azy, dia tsy tokony hatao tampoka izany fanovàna izany. Ny fanovàna lehibe tahaka izao dia mila tetezamita atao tsikelikely mba hiantohana ny fitoniana sy hahafahan'ny firenena miomana tsara. Azo atao, ohatra, ny mandroso amin'ireto dingana ireto. Hamafisina aloha ny tena fitsinjaram-pahefàna efa voalazan'ny lalàna, miaraka amin'ny famindràna andraikitra sy tetibola any amin'ny faritra sy ny kaominina. Hodinihina miaraka amin'ny malagasy rehetra ny fomba handaminana indray ny faritra mba hahafahany mitondra fampandrosoana mahomby kokoa. Hafindra tsikelikely any amin'ireo faritra vaovao ny andraikitra, ny vola ary ny mpiasam-panjakana ilaina. Hatsangana ny andrim-pitantanan'ireo faritra, ka ny vahoaka no hifidy ny Governora sy ny Antenimieram-paritra. Hodinihina ny vokatra isaky ny dingana, ary hatsaraina izay mbola mila fanintsiana vao hapetraka tanteraka ny rafitra federaly. Mazava ho azy fa tsy maintsy miaraka amin'izany voalohany ny firaisankina ara-bola eo amin'ny faritra rehetra. Faharoa, fanjakana foibe matanjaka hiaro ny firaisam-pirenena. Fahatelo, fitsaràna mahaleotena. Fahaefatra, ady hentitra amin'ny kolikoly ary farany, ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakàna. Tsy milaza aho fa io ihany no vahaolana. Mino aho fa mendrika hodinihina sy hiadian-kevitra am-pitoniana izy io, ao anatin'ny fifampidinihana nasionaly na ”Concertation Nationale”. Ny tanjona, raha eken'ny maro, dia ny hanana fanjakàna akaiky kokoa ny vahoaka, mahomby kokoa, tomponandraikitra kokoa ary mampandroso ny faritra rehetra sady mitahiry hatrany ny firaisan'i Madagasikara. Manantena aho fa ity fisaintsainana sy tolokevitra ity dia hanampy hanokatra adihevitra nasionaly milamina sy mahasoa ho an'ny hoavin'ny firenentsika. Mino sy matoky aho fa samy manana ny heviny sy ny tolo-keviny ny tsirairay ka hizara izany am-panajàna sy am-panorenana satria amin'ny fifanakalozàn-kevitra no ahafahantsika miara-manorina ny hoavin'i Madagasikara, hoy hatrany ity praiminisitra teo aloha ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT