Zaza Ramandimbiarison

«Manjavozavo tanteraka ny hoavin’i Madagasikara»


  • Alarobia 19 Febroary 2025

Manjavozavo tanteraka ankehitriny ny hoavin’i Madagasikara, hoy ny praiminisitra teo aloha,

Zaza Ramandimbiarison. Mitoetra ny fahantrana ary tsy zarizary ny fomba fitantanana ny firenena, hoy izy. Isan’ireo firenena farany mahantra eto an-tany isika manoloana izao fiovan-drafitra ara-toekarena manahirana izao. Miseho lany nefa ny mizàna tsindrian’ila eto amin’ny firenena. Mitombo hatrany ny trosan’ny firenena. Voafetra ny tetibola. Ny olana ara-tontolo iainana sy ny politika iraisampirenena koa eo. Manampy trotraka ny fihazakazaky ny fivoaran’ny tekinolojia izay tsy maintsy arahina amin’ny onjany, ny krizy ara-pahasalamana, ny loza voajanahary izay mbola mampitombo ny olana efa tena manempotra eto amin’izao fotoana izao. Rehefa tsy ho ataontsika ny fanarenana ifotony sy lalina ny fomba fitantanana ity firenena ity miaraka amin’ny fanarenana ara-toekarena dieny izao dia ahiana tanteraka ny hoavina malagasy an-tapitrisany maro, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT