Zaza Ramandimbiarison

«Maka toerana ny firehana nasionalisma»


  • Zoma 28 Febroary 2025

Maka toerana ankehitriny ny firehana nasionalisma ary miha marefo ny lamina maneran-tany

mikasika ny firehana liberaly, hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Zava-doza mitatao ho an’ny filaminan’izao tontolo izao sy ny hoavin’ireo firenena toa an’i Madagasikara izany, hoy izy. Ireo mpitondra firenena matanjaka eto amin’izao tontolo izao toa an’ny filoha amerikanina Donald Trump, ny filoha rosianina Vladimir Poutine, ny mpitondra sinoa Xi Jinping, ny filoha tiorka Recep Tayyip Erdoğan ary ny praiminisitra Narendra Modi izao no misongadina eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Ny asa sy hafatr’izy ireo amin’ny tambazotran-tserasera dia maneho fa nasionalista na tia tafahoatra ny tanindrazany izy ireo. Tsy manome lanja loatra ireo rafitra natsangana tanaty fitsipika ireo. Ny firenena toa antsika eto Madagasikara no ho voa mafy ao anatin’izany kanefa efa misedra olana ara-tsosialy sy toekarena. Fotoana izao, hoy hatrany ny tenany, tokony hitodiana any amin’ny politika miaro ireo harena voajanahary hananantsika mba tsy hianteherantsika lava izao amin’ireo fanampiana avy any ivelany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT