Politique

Zaza Ramandimbiarison “Ilaina ny fanorenana ifotony ny fanjakana”


  • Zoma 17 Febroary 2023

Taorian’ny nanambaran’ny CENI ny datim-pifidianana ho amin’ny 9 novambra ny fiodinana voalohany ny fifidianana

filoham-pirenena sy ny 20 desambra ho fiodinana faharoa dia nihetsiketsika naneho hery sy fanohanana an’izatsy sy i zaroa ireo mpanao politika, hatramin’ireo mpisolelaka, hoy ny praiminisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Manoloana ny fahantram-pirenena sy ny tsy fisian’ny antoka ho an’ny toekarena eto Madagasikara, hoy izy, dia tsy mahagaga ihany koa raha mbola mizotra amin’ny hita hatramin’izay ihany ny fomba fanao politika eto rehefa akaiky fifidianana toy izao. Mihevitra ny ankamaroan’ny mpanao politika fa satria heniky ny harena voajanahary ity firenena ity dia ilain’izy ireo ny manao izay hahazoana toerana anaty fitondrana mba hahazoany misitraka izany ho amin’ny tanjony manokana. Ilaina, noho izany, hoy hatrany ny tenany, ny fanorenana ifotony ny fanjakana na “Refondation de l’Etat” mihitsy mba hahafahana miatrika araka ny tokony ho izy ireo olana misy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT