Zaza Ramandimbiarison

«Fotoana izao hametrahana fitantanana tena tomponandraikitra»


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

Rahoviana isika vao hanana fitondrana tomponandraikitra sy tena demokrasia manaja ny mahaolona,

hoy ny fanontaniana napetraky ny mpanao politika, Zaza Ramandimbiarison? Mizotra anya mina fametrahana tompondraikitra hiahy ny eny ifotony i Madagasikara ao anatin’izao fifidianana monisipaly ho atrehina ny 11 desambra 2024 izao, hoy izy. Fotoana izao hametrahana fitantanana tena tomponandraikitra sy hanamafisana ny demokrasia handraisan’ny rehetra anjara. Mila rafitra sy dingana politika tony i Madagasikara, tsy mitanila ary mitsinjo ny tombontsoa iombonan’ny malagasy manontolo. Reraka ataon’ny vitsy an’isa ho fitaovana ho an’ny tombontsoan’izy ireo manokana ny malagasy. Ny fisokafantsika amin’izao tontolo izao dia tokony ho tombony mankany amin’ny fivoarana sy fanarahana ny toetr’andro. Raha nametraka tontolo sosialy sy ekonomika milamina izao ny mpitondra antsika ary nametraka rafitra fifanakalozana mangarahara sy mampiaty ny rehetra, tafiditra anatin’izany ny rafitra miteraka harena ho an’ny mponina, rafitra mifanaraka amin’ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka dia efa ela isika no tafavoaka. Any aloha no tokony imasoana amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT