ZAZA RAMAMANDIMBIARISON

« Ny fanovana toe-tsaina


  • Alarobia 12 Aogositra 2026

no ady lehibe indrindra »

Ny Filohan'ny Fanavaozana Kolonely Michaël Randrianirina, dia nanamafy fa tsy maintsy manomboka amin'ny olom-pirenena tsirairay ny Fanavaozana. Nantitranteriny fa mila manavao ny toe-tsaina sy ny fomba fisainana isika, mandà ny kolikoly, ny fitiavan-tena ary ny fitiavam-bola tafahoatra, ary mampitombo ny fifankatiavana sy ny firaisankina eo amin'ny Malagasy. Hevitra lehibe izany. Saingy tokony hametraka fanontaniana iray hosaintsainintsika tsirairay isika, hoy i Zaza Ramamdimbiarison hoe: Inona marina no tokony hovaintsika ao amin'ny toe-tsaintsika, ary ahoana no hanombohantsika izany? Inona marina no dikan'ny fanovana toe-tsaina? Ary ahoana no hampiasantsika tsara ny fahafahana ananantsika mba hahatonga izany fiovana izany ho tena zava-misy?
FAHAFAHANA
Mila olom-pirenena vonona handray andraikitra, amim-pahamarinana sy amim-pahendrena, i Madagasikara. Raha te hanova firenena isika, hoy izy dia tsy maintsy manomboka amin'ny fanovana ny toe-tsaina sy ny fomba fisainantsika tsirairay avy. Efa an-taonany maro isika no miresaka fahafahana. Fahalalahana miteny. Fahalalahana ara-politika. Fahafahana mifidy mpitondra. Fahafahana miasa sy mamorona. Fahalalahana maneho hevitra. Kanefa misy fanontaniana iray tena lehibe tokony hapetratsika amin'ny tenantsika: Mahay mampiasa tsara ny fahafahana nomena antsika ve isika? Tsy zo fotsiny ny fahafahana. Adidy koa izy io. Tsy ny vola, ny harena na ny fahefana no maha-lehibe ny olona. Ny tena maha-lehibe azy dia ny toe-tsaina ananany sy ny safidy ataony isan'andro.
SAMY TOMPON’ANDRAIKITRA
Matetika isika no mihevitra fa ny mpitondra irery no tompon'andraikitra amin'ny olana rehetra, hoy i Zaza Ramandimbiarison. Marina izany... saingy ampahany ihany. Ny ampahany faharoa dia izao : Tsy hisy firenena hiova raha tsy miova koa ny olom-pireneny. Raha te hanova firenena isika, dia tsy maintsy manomboka amin'ny fanovana ny toetsaina sy ny fomba fisainantsika tsirairay avy. Tsy afaka hanana fiarahamonina marina isika raha tsy manomboka amin'ny fahitsian'ny tsirairay avy. Tsy afaka hanana Fanjakana matanjaka isika raha tsy misy olom-pirenena vonona handray andraikitra. Matetika ny kolikoly dia tsy miainga eny an-tampony akory. Afaka manandratra ny fiainany ny olona raha misafidy ny hahay, hiasa, hilaza ny marina ary hanao ny tsara. Fa afaka manimba ny tenany koa izy raha manaiky ny hakamoana, ny lainga, ny fitiavan-tena ary ny fikatsahana ny tombontsoany irery. Midika izany fa afaka manangana firenena ny fahafahana... nefa afaka mandrava firenena koa.Mihatra amintsika Malagasy izany ankehitriny.
TSY IZAY TIANA NO ATAO FA IZAY MAHASOA
Ho an’i Zaza Ramandimbiarison ny haren'i Madagasikara lehibe indrindra dia ny fahafahan'ny Malagasy misafidy isan'andro ny tombontsoan'ny firenena fa tsy ny tombontsoan'ny tena irery. Tsy ny fanaovana izay tiana rehetra no atao hoe fahafahana, hoy anefa izy nampitandrina. Ny tena fahafahana aminy dia ilay mahatonga antsika ho olona tsara kokoa noho ny omaly. Ary angamba izany no tena dikan'ny Fanavaozana: Tsy ny fanovana lalàna sy rafitra fotsiny, fa ny fanovana ny toe-tsaina sy ny fomba fanao, ary ny fandraisana andraikitra amin'ny fampiasana ny fahafahana ho tombontsoan'ny Firenena sy ny taranaka ho avy. "Izay afafy no hojinjaina e !
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT