Politique

Zava-doza ho an’ny firenena Tratran’ny fandrendrehana ara-tsaina ny Malagasy


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Ny taona no niova fa ny fomba fanao ny omaly ihany no mitoetra.Misy miezaka milalao sy mampatory ny vahoaka Malagasy ;

aseho an’izao karazana zavatra manaitaitra na mampatahotra rehetra izao, tahaka ny hoe : daroka amin’ny « bois rond », fibatana olona, mpianatra mihetsika ambalavelona, halatra voamaso, halatra zaza varira, vaky fasana, ampamoaka amin’ny facebook, fifanandrinan’ny kristianina sy ny mpandala ny fomban-drazana, mpanakanto manondrana, mpanao politika voatonona amina trafika na tranga hafahafa…amin’izay angamba manadino ilay fahasahiranana iainana isan’andro sy ny sakafo ambany foitra. Na efa ambivitra izao aza ny vola am-pelatanana dia misy olona mahavita mividy fahana ihany mba hijerena ny zava-mitranga sy izay tantara be ao anaty facebook ao indray. Dia samy manoratra izay heverina fa marina sy mety ao, samy mamoaka ny heviny…miady sy mifandramatra avy eo dia mifamoaka teny mahery, misy mifanompa mihitsy aza moa dia mifampiantsy. Ny vokatr’izay dia olom-pirenena mora adalaina, olom-pirenena gtsy tompon’andraiikitra fa taitaitra amin’ny tranga ety amin’ny sisin-dalana fotsiny.Tsy atao mahagaga raha tonga eo ny propagandy dia maro no ho voafitaka fa ho avy ny akizarazara fanampiana, dia atakalo tolotolotra sy tohana kely tsy mahavita herinandro akory ny ho avin’ny firenena sy ny taranaka. Ny tena mahalasa saina dia tahaka ny hoe tsy misy olobe, olon-kendry intsony eto, tahaka ny hoe tsy misy fanjakana, ary indrisy fa misy fotoana aza ny manampahefana mihitsy no manadala saim-bahoaka sy miditra amin’ilay resaka fandrendrehana saim-bahoaka io (manipulation de masse). Ny Malagasy efa sahirana, dia lasa tsy mahay manavaka intsony ny setroka sy tomany fa dia mifangaro voraka ao ny zava-drehetra, lasa diso ny fomba fijery, hany ka mibirioka any amin’ny tsy izy ny fanapahan-kevitra raisina sy ny zavatra atao rehefa avy eo.Tandremo ! fa izany no fomba haingana indrindra mampahantra. Mahazo aina ery mitazana ireo mpanao ampihimamba, ny valalabemandryy miady mifanaritaka fa ry zareo, mitombo harena hatrany.tsy olana aminy rehefa korontana ambony ambany eto any aoriana any ny mifindra monina anya mina firenena hafa ; mbola miaina tsara ihany izy. Milamindamina eo ny raharaha dia ireny fa miverina indray ry zareo dia milaza fa hanavotra firenena. Mila mandinin-tena sy manitsy ny lalany Ramalagasy raha te hivoatra, fa raha izao zava-misy izao dia ho lalaovin’ny olona foana dia mody tsipatsipazana fotsim-bary kely eny fa tsy hanana fiainana mendrika mihitsy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT