Zanaky ny Filoha tany Ambohibary Moramanga

Inona no anton-diany niaraka tamin’ireo teratany vahiny ?


  • Zoma 20 Jona 2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

dia ofisialy tany ivelany, fifampiraharahana amin’ny orinasa sy vondrona ara-toekarena vahiny, fandraisana filoham-panjakana ambony teny amin’ny Lapam-panjakana, dia nanaitra ny maro indray ny sary niparitaka nanomboka omaly izay nahitana an’i Ilou Rajoelina ny zanaka Lahiaivon’ny Filoha. Tany andrefan'Ampitambe, Ambohibary Moramanga ilay toerana, raha ny fahitana azy. Tsy hidirana lalina hoe : nahoana izy no nakany satria zon’ny olom-pirenena Malagasy tsirairay no mivezivezy eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Misy ihany kosa anefa ny fanontaniana samihafa manitikitika ny saina, indrindra fa zanaka mpitondra ambony no resaka eto. Manititika ny maro ny hoe : inona no tena anton-diany tany, izay tsy izy irery, fa nahitana teratany vahiny maromaro, nifampiresaka tamin’ny olona ifotony,… Manao fizahantany ve ireo vahiny ka ny zanaky ny mpitari-dalana sa manao bizina sy mikasa hanao fandraharahana. Ny mikasika ny toerana dia tsy lavitra ny nisy ilay « site de mise en quarantaine » an’ny ombin'ny orinasa Tiko tamin’ny fotoanan’androny, raha ny fanamarihana. Mety ilay tany saika homena ny Maorisiana araka ny navoitra tamin’ny fitsidihan’i Andry Rajoelina tany Maurice ny 2019 ve ity notsidihana ity? 80ha no nolazaina tamin’izany ka asa na misy ifandraisany amin’izany itony na tsia ?
EFA NILAZA FA MIVAROTRA TANY DIA MAHAVITA ZAVATRA…
Teny nataon’i Andry Rajoelina rahateo ny faramparan’ny taona 2018 nandritra ny faradoboky ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Filoham-pirenena rahateo ny hoe : « Mivarotra tany 100ha, ohatra, dia efa mahavita ny “viabilisation” an’ny làlana sy tanàna » ka fizorana amin’ny fanatanterahana izany ve itony ka mifangaro ao ny fanarantsaronana azy amin’ny fiaraha-miombon’antoky ny Fanjakana sy ny tsy miankina na 3P? Mampanahy ny olom-pirenena ny hisiana fifanarahana avo lenta maro be mety hanana endrika famatorana ny tanim-pirenena amin’ny vahiny amin’izao 3 taona farany hitondran-dRajoelina izao. Andaniny, fantatra fa misy efa misehatra amin’ny fandraharahana ny zanaky ny Filoham-pirenena ka mipetraka hatrany ny ahiahy amin'ny fampiasana ny fahefam-panjakana hanomezana vahana na fampidirana ho tombotsoam-pianankaviana ny mety ho fifanarahana eo amin'ny Firenena samy Firenena, Fanjakana sy ny tsy miankina, Fanjakana sy ny sehatra ara-toekarena vahiny. Efa nisy olom-boafidy nangata-panazavana ofisialy hoe : inona marina no andraikitry ny zanaky ny Filoham-pirenena ao anaty Fanjakana ? Tsy finiavana hitsikera manokana ny fiainan'ny Filoham-pirenena sy ny ankohonany izay manana ny safidiny sy ny fahalalahany amin'izay tiany hatao, saingy betsaka kosa anefa tato ho ato ny fanahiana ny fifangaroan'ny fitantanana Firenena sy ny mety ho bizim-pianankaviana ka mahatonga tsikera mivantana na ankolaka ataon’ny olom-pirenena sasany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT