Politique

Zanak’i Dada “1er tour” dia vita no tanjona


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Nafana ny fihaonan’ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara sy ny ankolafin-kery isan-tsokajiny mpanohana an’i Madagasikara teny amin’ny Kianja Magro Behoririka ny tolakandron’ny sabotsy 7 aprily lasa teo.

 Tonga maro rahateo ny olona, izay naneho ny fahavononany hatramin’ny farany hanohana an’i Marc Ravalomanana. Nanao ny tatitra mahakasika ny antsojay isan-karazany, ny raharaham-pirenena toy ny kolikoly samihafa ny solombavambahoaka teo aloha Zafilahy Stanislas. Teo ihany koa ny firesahana ny hetahetan’ny olona any amin’ny faritra sy ny fahoriana isan-karazany mahazo azy, ka i Marc Ravalomanana aloha hatreto no hita fa hany manana fahaiza-manao afaka hitarika ny Malagasy hiala ao anaty gejan’ny fahantrana. Niantso ny vahoaka ho tony kosa ny filohan’ny komity mpanohana an’i Marc Ravalomanana na ny KMMR 2018, Constant Raveloson. Ao anatin’ny fiandrasana ny toromariky ny depiote manoloana ny raharaha lalàm-pifidianana amin’izao fotoana izao, ary manaraka eo ho azy ny tohiny sy ny toromarika ho an’ny vahoaka, raha aravona ny fanehoan-keviny. Nitondra fanazavana mikasika ny fanambarana nataon’i Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo kosa i Elian Raharison, anisan’ireo mpitondra teny teny amin’ny Magro, ka nivoitra tamin’izany ny hoe tsy misy dikany ny zavatra atao rehefa tsy manaraka ny etika ao amin’ny andrim-panjakana. Ny resaka fandaniana ny lalàm-pifidianana no tian-koresahina amin’io, ka dia miandry izay ho tohiny ny rehetra. Nanamafy ny ankamaroan’ireo nandray fitenenana fa noho ny tahotra an’i Marc Ravalomanana no anton’ny antsojay isan-karazany, saingy tsy hihemotra na inon-kidona na inon-kihatra. Arakaraka ny hamafin’ny gafy sy ny famotehana no toa vao mainka mampiakatra ny hambom-pon’ny vahoaka mpanohana an’i Marc Ravalomanana, ka fihodinana voalohany na “1er tour” dia vita, hoy ny ankamaroan’ny olona vonon-kanohana hatramin’ny farany.

 

Toky R

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT