Zanaka Filoha ampidirina amin’ny raharaham-panjakana

Mitaky mangaraharaha ny depioten’ny fanoherana…


  • Zoma 30 Mey 2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

fifanaovana vava momba ny tetikasa Base Toliara,… nandefa taratasy misokatra miantefa mivantana amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Depiote Siteny Randrianasoloniaiko, izay sady Filoha lefitra faha-7 avy amin’ny fanoherana ao amin’ny Antenimierampirenena. Notsikafonin’ity depiote avy amin’ny fanoherana tao anatin’io fanehoan-kevitra ofisialy io ny fihetsiky ny Filoham-pirenena momba ny fisian’ny fianakaviany, indrindra ny zanany, amin’ireo lanonam-panjakana sy fivoriana iraisam-pirenena ataon’ny Fanjakana Malagasy. Notsindriana fa mila atao ao anatin’ny mangarahara sy fanajana ny Lalampanorenana ny fitantanana ny raharaham-panjakana. “Tsy tokony hanaovana tompon-trano mihono ny Vahoaka Malagasy ny fitantanana ny firene. Fandikana ny andininy faha-42 ao amin’ny Lalampanorenana ny fampiasana ny fahefam-panjakana hanomezana tombontsoa manokana ny fianakaviana sy ny namana”. I Andry Rajoelina izay nilaza tany aloha fa nampianarina ny zanany, ka mandray andraikitra sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana. Nametraka fanontaniana mivantana mivantana amin’i Andry Rajoelina kosa io Filoha lefitra faha-7 ao amin’ny Antenimierampirenena io hoe : Manana andraikitra ara-panjakana ve ny zanak’Andriamatoa Andry Rajoelina? Raha eny, inona avy ireo andraikitra sahaniny sy aiza no ahitana ny fanendrena ara-dalàna mifanaraka amin’izany? Raha tsia, nahoana no mipoitra matetika amin’ny lanonam-panjakana sy fivoriana iraisam-pirenena ny fianakaviany, na eto an-toerana na any ivelany? Iza no miantoka ny fandaniana amin’ireny fanatrehan’izy ireo ireny, indrindra amin’ireo fivoriana ataon’ny Filoham-pirenena amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy any ivelany? Tokony hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny fanazavan’ny Fiadidiana ny Repoblika, amin’ny anaran’ny mangarahara sy fanajana ny lalàna, manan-jo hahalala vaovao ny olompirenena tsirairay araka ny andininy faha-11 ao amin’ny Lalampanorenana, ary voasoritra mazava ihany koa fa ny Vahoaka no tompon’ny Fahefana rehetra, araka ny andininy faha-5 amin’ny lalàmpanorenana, hoy ity taratasy ity. Namafisina ny hoe : “Izay rehetra manam-pahefana dia tsy tokony hampifangaro ny raharaham-pianakaviana sy ny andraikitra ara-panjakana”. Tsy resaka fitanilana amin’ny andaniny, fa tsiahivina kosa hoe anisan’ny nanakianana mafy sy nanonganana an’i Marc Ravalomanana, nanenjehana ny Fitondran’i Hery Rajaonarimampianina ny ahiahy tamin’ny filazana fa mifampiditra ny orinasa sy ny raharaham-panjakana, mifampitsabaka ny resa-pianakaviana sy ny fitantanana Firenena,… Io aharihary tsy misy tahotra io anefa ny an’Atoa Andry Rajoelina satria mety matoky tena, matoky ny fahefana, matoky vola,… na mety misy endrika fandikan-dalàna aza. Ho tonga hatraiza ihany koa anefa ny fanoherana manoloana ireny ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT