Mitohy hatrany ny fivoriana fanaon’ny Zanak’i Dada ao Tolagnaro isaky ny sabotsy tolakandro ao amin’ny foibe toerany ao Bazaribe.
Fifanakalozam-baovao sy fandraisana ny toromarika mivantana avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpitarika ny movansy Ravalomanana eto Madagasikara no fandaharam-potoana amin’izany. Ny sabotsy teo dia naverina nojeren’ny besinimaro ny horonan-tsarin’ilay ampamoaka nataon’i Dr Robinson Jean Louis sy ireo mpiara-dia aminy tao amin’ny Carlton, nalefa tamin’ny fahitalavitra tsy miankina TV Plus Madagascar ny alin’ny 30 desambra 2013, mikasika ny tsy fanarahan-dalàna sy hosoka ary hala-bato mihoapampana nitranga nialoha, nandritra ary taorian’ireo fifidianana roa sosona notanterahina tamin’ny 20 desambra 2013 dia ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana solombavambahoaka. Mazava amin’ny Malagasy any Tolagnaro ny resaka ankehitriny fa dia misy kandida tiana hampandresena amin’ny hala-bato eto. Manoloana izany dia nilaza ny Zanak’i Dada any Tolagnaro fa ny famerenana ny fanisam-bato fa tsy ny fampitahana ny fitanana an-tsoratry ny voka-pifidianana na PV akory no tokony hatao mba hampangarahara iny fifidianana iny sy antoky ny fitoniana eto. Tsy ampy, hoy izy, ireo ny fampitahana fotsiny ny vokatra fa aleo ny bileta nampiasaina mihitsy no hamarinina sy averina isaina. Ankoatra izay dia manentana ny Malagasy mahatsapa fa very safidy ny Zanak’i Dada any Tolagnaro miaraka amin’ireo Komity mpanohana an’i Dr Robinson Jean Louis mba hijoro, hiaro ny safidiny hatramin’ny farany.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.