Vaky ambatolampy ny fomba ratsin’ireo komity mpanohana ny kandidan’ny Hery Vaovao tamin’iny fifidianana hofiloham-pirenena, fihodinana faharoa ny 20 desambra lasa teo.
Nanambara ny Zanak’i Dada any an-toerana manoloana ny fanovàna ireo vokatra miainga avy any amin’ny birao fandatsaham-bato, ka nampiova izany teny rehetra teny, ny fizarana ambongadiny ny vaton’ireo kandida tsy nahitana solontena tany amin’ny birao fandatsaham-bato, ny fizarana vola nandritra ny fotoam-pifidianana sy ny fisian’ny bileta efa voaisy marika mialoha, ny fanapoapoahana basy tamin’ireo birao fandatsaham-bato maro be ny andron’ny fifidianana. Tsy azo ekena izany, hoy ny Zanak’i Dada Tolagnaro, izay nilaza fa vonona hiaro hatramin’ny farany ny vato azon’ny dokotera Robinson Jean Louis araka izay toromarika avy amin’ny foibe mba hitadiavana ny marina na lazaina fa fisaka aza.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.