Ambohipihaonan’ny Zanak’Ambanivolo tany amin’ny Kaominina Ambodiharina, Distrikan’i Mahanoro ny sabotsy 21 novambra 2015 teo.
Nifety tamin’ny fahombiazan’ny fikambanana nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna tamin’ity 2015 ity izy ireo. Kandida enina no narotsaky ny Zanak’Ambanivolo, tao anatin’ny Ditrikan’i Mahanoro. Voafidy ny efatra tamin’ireo. Tafita ny roa ampahatelony. Tonga tany an-toerana nanome voninahitra ny lanonana ny praiminisitra nisahana ny toekarena, indrostria, fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ary ny taozavatra tamin’ny tetezamita, Botozaza Pierrot. Ity farany rahateo no filoham-boninahitry ny Zanak’Ambanivolo. Nisy ny fanolorana azy ny tehin’ny mpitarika, hanitatra ity fikambanana ity manerana ny Nosy, hanavotra an’i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.