Politique

Zakahely Boniface Nisy nividy toerana tamin’ireo CT


  • Zoma 30 Septambra 2011

Efa mangarangarana nefa misy taolana ilay fankatoavana iraisam-pirenena taorian’iny fanaovan-tsonia ny tondrozotra SADC iny, hoy i Zakahely Boniface.

 Mila finiavana tanteraka ny fampiharana azy io, hoy izy, ary tokony hampiseho izany ny mpitondra ankehitriny. Faharoa dia tokony hipetraka ho tsy momba ny atsy na ny aroa tanteraka ny filohan’ny tetezamita. Eo amin’ny fanendrena praiminisitra no hita fa mety ho sakana amin’izy ity, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity, amin’ny fitenenana ny hoe «on ne change pas une équipe qui gagne» satria tena famitaham-bahoaka izany.

Tokony hieritreritra ny manely izany hevitra izany, hoy izy, fa efa mandondona ny ady an-trano ary efa mampatahotra ny hisian’ny savorovoro ara-piarahamonina. Mikasika ny adivarotra amin’ny fahazoana seza amin’ny fanitarana tsy maintsy hatao dia nilaza i Zakahely Boniface fa efa voasoratra ao amin’ny sori-dalan’ny SADC natao sonia iny ny amin’izany. Mampalahelo anay antoko efa tranainy ihany, hoy izy, izay efa niatrika ny fifidianana rehetra isan-tsokajiny hatramin’izay fa izahay indray no tsy manana olona ao amin’ny rafi-panjakana samihafa fa ireo antoko kelikely vao niforona tsy ela akory no nahazo betsaka amin’izany fa ireny no nanam-bola telo tapitrisa ariary nividianana seza. Tao koa ireo nandoa «écolage» dia tafiditra mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ary ny an’ny sasany aza mpiasa an-tranony no nosoratany tany dia izy ihany no mandray ny karamany.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT