Fampiharana

ny fandaharam-pibeazana


  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Misy fepetra tetezamita amin'ireo

fanadinana isan'ambaratongany
Mitohy ny fampiharana ny Fandaharam-pibeazana manomboka ny kilasy fanomanana (Préscolaire) ka hatramin’ny kilasy famaranana (Terminale) amin’ity taom-pianarana 2026-2027 ity, araka ny fanazavana nataon'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, notarihin'ny Tale jeneraly momba ny raharaha Akademika (Pegagogie) Razafimandranto Yves Martin. Nitondra fanazavana vitsivitsy ity farany mba hampiroso tsara ny taom-pianarana 2026-2027 sy tsy hampiroa saina ny mpianatra, ny ray aman-dreny ary mpampianatra. Nambarany fa mba ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny mpianatra amin’ny mety ho fahasahiranana eo amin’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana nefa dia nampiharina ny fepetra tetezamita amin'ireo fanadinana isan'ambaratongany dia ny CEPE, ny BEPC ary ny BACC izany. Ho an'ny CEPE dia tsy mbola hanadinana ny taranja "Art", "EPS" ary ny "Anglais". Ho an'ny BEPC dia tokana ny safidy ary tsy maintsy hatao ny taranja "Anglisy" sy ny "FOV (Fanabeazana ho Olompirenena Vanona)", saingy mbola tsy hanadinana ihany koa ny "Art" Ho an'ny BACC dia napetraka ny sokajy telo L, S ary OSE hanajana ny didim-panjakana nametraka izany fa kosa afaka manao safidy ireo mpianatra ao anatin’izany. Manana safidy L na A1 na A2 ao anaty sokajy L. Manana safidy S na C na D amin'ny sokajy S. Safidy tokana ihany ny OSE. Hitondra ny safidy L, safidy S ary safidy OSE ny diplaoma.
MITERAKA ADIHEVITRA
Mbola manjavozavo amin'ny maro ihany na eo aza izany ny fampiharana ity fandaharam-pibeazana ity, noho ny tsy fahampian'ny serasera. Ao koa ireo mametra-panontaniana sy manokatra adihevitra. Ho an'i Pr Razafindrandriatsimaniry Marie Dieudonné Michel, dia nanamarika fa : "saropady ny fanabeazana. Matoa betsaka ny adihevitra sy ny fanontaniana ato dia : maro ny tsy mazava ? Koa misy zavatra tsy milamina mety hanimba ny hoavin’ny taranaka hifandimby ? Koa raha eo amin'ny Mpampianatra no milaza «Tsy Mazava», dia inona ny vokatra azo antenaina amin'izany", hoy izy. Mametra-panontaniana ihany koa ity Minisitry ny fanabeazana tamin'ny Repoblika fahatelo ity hoe : "Aiza ho aiza ny fanavaozana entina amin'ny sehatry ny fanabeazana fa toa mbola ilay diplaoma no laharampahamehana ironan’ny adihevitra fa toa tsy hita taratra ilay fanamby hirosoana amin'ny ny sekoly mitodi-doha amin'ny fiainana ?".
Jean D.
Tale jeneraly momba ny raharaha Akademika (Pegagogie) Razafimandranto Yves Martin (eo afovoany)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • SENDIKA
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

EO ANIVON’NY MEN

  • Jery todiky
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny voka-panadinana 2026

  • LTP Ampasapito
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Nahazo rano, efitrano 12

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Talata 06 Oktobra 2026

- Kazak Mining Hub

  • BAKALOREA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

2026 TAO VAKINANKARATRA

  • POLITEKNIKA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONTOVORONA

Hijery ny tohiny
FTT