Tsy ekenay ny fivarotana ny tanin’ny fiangonana ! »
Naneho ny tsy fankasitrahany ny fivarotana ampahan-tany ao Soamanandrariny ireo mpino ao amin’ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito. Araka ny fanazavana nentin’ireo tompon’andraikitra, dia taorian’ny nahenoan’izy ireo fa nisy ampahan-tany namidy na nampanofaina no nanehoan’izy ireo ny fanoherany izany, ka nahatonga azy ireo nampivondrona ny mpino sy ireo rehetra tsy mankasitraka izao fivarotana ny tanin’ny fiangonana izao. Araka ny fanazavan’i Pasteur Razanajatovo Raymond, dia tanin’ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito io tany io. Fiangonana manana rafitra iraisam-pirenena ny Adventista ary efa voarakitra ao amin’ny « Encyclopedia of Seventh-day Adventists » ny tantaran’ny fiangonana teto Madagasikara. Efa tamin’ny taona 1938, hoy izy, no nahafantarana fa an’ny fiangonana Adventista io fananana io. Nohazavaina ihany koa fa manana rafitra 2 ny Adventiste dia ny rafitra amin’ny maha fiangonana azy sy ny rafitra amin’ny maha fikambanana azy. Voalohany amin’izany ny Filankevim-pitantanana (CA), izay manana andraikitra amin’ny fitantanana ny fananan’ny fiangonana, isan’izany ny tany. Ny tany ao Soamanandrariny dia voalaza fa manana velarana 43 hektara, ka 17 hektara amin’izany no voakasiky ny fivarotana. Araka ny fanazavana, ny Federasiona Madagasikara Afovoany no voalaza fa nandray fanapahan-kevitra momba izany. Nambaran’ireo manohitra ny ivarotana fa tokony ho soson-kevitra ihany no naroson’ny federasiona, fa tsy izy no manana fahefana farany amin’ny fanapahan-kevitra momba ny fananan’ny fiangonana. Nanamafy ihany koa izy ireo fa efa nisy ny dingana maro nataon’ireo mpino sy mpitandrina ary ireo rafitra samihafa eo anivon’ny fiangonana, talohan’ny nampahafantarana ampahibemaso ny raharaha. Araka ny fanazavan’i Pasteur Ramaniraka Richard, dia isan’ny dingana voalohany ny fananarana sy ny fifampiresahana, ary niezahana ny hampitsahatra ny fikasana momba ilay tany. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa tsy ady amin’olon-tokana na andian’olona no anton’ny fanehoan-kevitra, fa filazana ny tsy fankasitrahany ny fivarotana ilay fananana. Nambarany fa ny tanjon’izy ireo dia ny hampiverina ny tany eo ambany fiahian’ny fiangonana indray. Efa eo anivon’ny fitsarana ihany koa ny raharaha amin’izao fotoana izao. Mbola mitohy araka izany ny dingana ara-pitsarana.
Solotiana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.