Politique

Zakahely Boniface “Miandry ny filoham-pirenena hahatsiaro anay izahay!”


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Zava-dehibe indrindra ny traikefa amin’ny fitantanana firenena, hoy ny mpanao politika, Zakahely Boniface. Faharoa ny fahaizana miresaka, hoy izy.

Fahatelo, tsy maintsy misy fifidianana amin’ny tanin’ny repoblika raha hanaraka lalana demokratika isika. Izay 3 izay no misavorovoro satria tsy mandeha ny ankapoben’ny raharaham-pirenena. Avy amin-janahary ny fahefana fa tsy ity olona rehetra ity hatramin’izay manaiky hanasonia 40 miliarana “Bonbon sucette” no ataonao hoe “cerveau”. Mahatsiaro ho menatra sady afa-baraka ny mpanao politika rehetra manoloana ireny. Tsy nisy tolona natao teto hoe tsy hampandroso firenena nefa inona no vokany hatramin’izao? Dakan’izay mahazo fahefana foana izay niara-nitolona taminy. Voadaka izahay tamin’ny 2002, Voadaka tamin’ny 2009, izao fitondrana TGV mihitsy. Mila famelan-keloka, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena, tokoa izany. Nahatsapa tena izany izy. Miandry ny filoham-pirenena hahatsiaro anay mihitsy izahay io! Ny mpisoloky politika izao no mahazo toerana. Androany izy TIM. Rahampitso izy TGV. Rahafakampitso izy HVM fa I Zakahely Boniface tsy mbola nanana antoko ankoatran’ny AREMA. Tsy misy afa-tsy fifampiresahana no vahaolana satria efa mihombo ilay tsy fahaiza-mitantana. Tsy mahazaka fanjakana io praiminisitra Ntsay Christian io. Hiresaka amin’olona aza tsy vitanao ka ahoana no ahafahanao mitondra firenena? Mba tsy hisian’ny ra mandriaka sy faty olona indray dia aleo mifampiresaka. Tsy mbola nisy mpanao politika lany filoham-pirenena teto ary izay no mahavoa an’io firenena io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT