Politique

Za’gasy sahy mandroso Mijoro ho mpanohitra


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Anisan’ny tonga namaly ny antso tetsy amin’ny Carlton Anosy ny sabotsy teo nandritry ny fihaonamben’ireo mpanohitra ny avy eo anivon’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso.

 

 

Araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny fikambanana, Rija Raherinaivo, dia anton’ny nahatongavana ny fahatsapana fa olom-pirenena manan-jo haneho hevitra. Eo koa ny fahitana ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitantanana ny raharaham-panjakana eto amin’ny firenena. Anisan’ny niharan’ny tsindry hazo lena ny fikambanana ary ny fahatsapana io tsy fahamarinan-toeran’ny rafitra misy io dia antony hanatevenanay laharana ireo namana mitarika ny fanoherana eto amin’ny firenena, hoy izy. Tsy vao izao no nisy fanoherana fa mahatsapa ankehitriny ny rehetra fa zava-dehibe ny fitambarana ho an’ny tombontsoam-bahoaka, hoy ny Za’gasy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT