Politique

Zafy – Ravalomanana Hihaona atsy Afrika Atsimo ?


  • Talata 08 Novambra 2011

Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaham-pirenena.

 24 ora taorian’ny fanambarana ofisialy nataon’Atoa Marc Ravalomanana, ny zoma 04 novambra, fa tsy hiditra amin’izao rafitra izao ny ankolafy tarihiny sy ny nilazany fa sady tsy azony tamin’ny antso an-tariby no tsy mbola niantso azy ny Pr Zafy Albert, hatramin’ny nanoloran’ity farany an’i Jean Omer Beriziky ho kandida praiminisitra, dia re fa nifandray an-tariby ireto filoham-pirenena teo aloha, voafidim-bahoaka ireto. Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’izany, ary naharitra efapolo minitra mahery tany io fifampiresahana io, raha ny tsiliantsofina, saingy tsy nisy nipika. Azo antoka kosa fa voaresaka tao anatin’izany ny amin’ny fomba nanendrena ilay praminisitra sy ny fandrafetana governemanta.

Fa ny manitikitika ny maro izao dia ny hoe, vokatr’io fifampiresahana io koa ve no tsy mbola nandrosoan’ny ankolafy Zafy anarana minisitra teny Mahazoarivo, na dia kandidany izao aza ny praiminisitra ary na dia makamaka ny toeran’ny talen’ny kabinetran’i Omer Beriziky vonjimaika aza i Manoro Régis ? Vokatr’io fifampiresahana teo amin’ireto filohana ankolafy roa ireto io koa ve no anton’ilay fanambarana tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 05 novambra lasa teo fa ho avy ao an-kianja ny Profesora Zafy Albert rahampitso alarobia, hitondra fanazavana mikasika ny fipetraky ny raharaha amin’izao fotoana, indrindra taorian’iny fanendrena praiminisitra iny, sy ny tohiny ? Ny ampitso no hanambara izay fa raha ny resaka mandeha hatry ny omaly aloha dia mety mbola hihazo an’i Afrika Atsimo ny Profesora Zafy Albert.

Eo no tsy fantatra mazava na hihaona amin’ny Troika no anton-diany any, na koa hifampiresaka imaso amin’Atoa Marc Ravalomanana, raha tsy mbola ho tonga an-tanindrazana ihany ity farany, noho ny antony samihafa. Raha raikitra anefa izay mety ho fifanatonana eo amin’i Dada sy Profesora izay, dia azo heverina ihany koa ny mbola hihaonan’ny Profesora sy ny Amiraly, mialoha ny hiverenan’ity farany an-tanindrazana. Mety mbola hanova zavatra maro, araka izany, ny fisian’ireo fihaonana ireo. Resahina betsaka moa ny datin’ny 17 novambra 2011, hitsanganan’ny governemanta raha ny sori-dalana, nefa koa mety hisian’ny fihaonana an-tampon’ireo filohan’ny ankolafy efatra sy ireo vondron-kery politika lehibe eto Madagasikara handravonana ity krizy ity.

Jean D.

Sary : Fifampiresahan’ny filoha Zafy Albert sy Marc Ravalomanana tany Maputo tamin’ny aogositra 2009

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT