Politique

Zafimahatratra Abel Tsy misy CENI tsy matimanota izany intsony


  • Zoma 04 Desambra 2015

Anisan’ireo depiote nangataka ny hanaovana fivoriana mihiboka ny alarobia teo teny Tsimbazaza ny depiote Zafimahatratra Abel avy any Manakara , noho ny tsy fahatongavan’ny minisiteran’ny atitany sy ny Ceni tamin’ny fiantsoana azy ireo teny an-toerana tamin’io andro io

 

.   Raha misy zavatra mampiahiahy an’ireo depiote mikasika ny votoatin’ireny volavolan-dalàna tonga ety amin’ny Antenimieram-pirenena ireny  na koa misy tsy dia mazava loatra dia azo atao tsara ny mampiantso ho ety Tsimbazaza ireo tompon’andraikitra eny amin’ny minisitera na ny minisitra mivantana mihitsy hitondra fanazavana amin’izay hilan’ny depiote valiny na amin’ny lalàna tsotra io na amin’ny lalàna fehizoro ny antony nanaovana azy, hoy izy. Miainga eny anivon’ny asam-baomiera ny fanazavana ary tsy mainty hoentina eo anivon’ny fivoriana hitambarambe hanomezana fanazavana feno amin’ny tena ilaina ny volavolan-dalàna naroso.  Mikasika ny rafitra Ceni dia nambarany fa ny depiote no nandany ny lalàna tokony hahaleotena azy ireo nefa ao anatin’izao lalàna izao koa no namaritana fa tsy hisy Ceni tsy matimanota izany intsony eto fa misy rafitra noraisina tamin’ny famoahana didy fampiharana amin’io lalàna io ka ahafahana mampihatra ny lalàna aminy raha misy tsy mety hataony. Fa amin’ny ankapobeny, aleo izy hiasa.

Farany mikasika ny tatitra RRI, fanatanterahan’ny mpanatanteraka ny asa 100 andro dia adidy ary fihetsika tokony hataon’ireo minisitra ny manao tatitra ny zava-bitany eo anatrehan’ny depiote na amin’ny vahoaka koa aza  ka izay tsy nahavita mila mahatsapa tena fa mitaky dingana goavana ny vahoaka malagasy ahafahana manavotra ny firenena.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT