Politique

Zafilahy Stanislas Diso kajy ireo namotika an-dRavalomanana


  • Zoma 28 Oktobra 2011

Tsy ho very maina ny tolona nataontsika, hoy ny depiote Zafilahy Stanislas tamin’ireo vahoakan’ny Magro tonga maro toy ny isan’andro.

 Ny tanjona dia ny hiverenan’ny ara-dalàna, ny hiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana sy hamerina azy hitondra ny fanjakana. Ilain’i Madagasikara sy ny Malagasy iny lehilahy iny, hoy izy. Nisongadina tamin’ny lahateniny moa ny fanazavana momba ny onitra tokony haloa amin’ireo lasibatry ny krizy, indrindra fa ny fandrobana nitranga ny 26 janoary 2009. Nivoaka an-gazety tamin’ity herinandro ity tokoa manko fa manodidina ny roa hetsy sy arivo tapitrisa euros ny sandan’ny fahapotehan’ny fananan’ny fianakaviana Ravalomanana. Roritina izany, hoy i Zafilahy Stanislas hilazana sy hanaratsiana ny filoha fa hoe tsy miraharaha ny fahantram-bahoaka fa mitady haka vola be amin’ny Malagasy nefa ny krizy efa eo.

Nohazavainy àry fa antony telo no namotehana ny fananan-dRavalomanana dia eo ny hampalemy azy ka tsy hananany hery hiverina eo amin’ny fanjakana, eo koa ny fialonana kanefa tsy tamin’ny naha Ben’ny tanàna na filoham-pirenena azy no nananany an’ireo, ary koa mba tsy ho hita soritra eto Madagasikara intsony izany Marc Ravalomanana izany. Diso kajy anefa ireo nanao ny asa ratsy, hoy i Zafilahy Stanilas. Salama saina sy vatana tsara ny filoha fa ireo nanenjika azy indray no nitambotsitra. Rehefa tsy voasakana intsony ny fiverenan-dRavalomanana, hoy ihany izy dia foronina daholo ny fanaratsiana rehetra. Ny marina, hoy ihany ity depioten’i Vavatenina ity, dia tsy mbola nangataka tamintsika ny hanonerana ny fananany ny filoha fa ny nambarany dia ny hody hanavotra ny firenena, hamerina ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola ka hiverenan’ny asa ho an’ireo tsy an’asa. Raha ny voarakitry ny fifanarahana tany Maputo, hoy ihany i Zafilahy Stanilas dia mahazo onitra avokoa ireo lasibatry ny tsy rariny ary dia nohamafisin’ilay sori-dalana nosoniavina tamin’ny 17 septambra ka nampiana mihitsy aza izany. Tsy ny tamin’ny 2009 ihany no honeran’ny fanjakana fa hatramin’ny 2002 ka hatramin’ny fotoana nanaovana sonia iny sori-dalana iny.

Nangonin’i Soa

Sary : Zafilahy Stanislas nikabary tao amin’ny Magro omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT