Politique

Zabofigera Dox Didier Ny fankatoavana lazaina mivantana no tena izy


  • Zoma 30 Septambra 2011

Mahagaga isika Malagasy, hoy i Zabofigera Dox Didier, fa ilana Vazaha foana vao afaka mifampidinika.

 Mbola misy mangataka ny handinihana tsirairay isaky ny andininy miisa 45 indray izao, hoy izy, ilay sori-dalan’ny SADC natao sonia teny Ivato farany teo ka mbola hiandrasana Vazaha indray ny fanazavana izany. Ho anay ao amin’ny vondrona fiarahamonim-pirenena ahitana ny Raiamandreny mijoro, ny Finoana, Cnosc … dia ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny voalaza ao amin’ilay sori-dalana no voafaritra fa andraikitray. Ho anay fiarahamonim-pirenena dia mazava fa rehefa misy olona samihafa tsy tao anatin’ny fitondrana tetezamita ankehitriny nanao sonia ilay sori-dalana dia tranga vaovao izany ka heverinay fa tena ilaina sady rariny ny fanitarana amin’ireo andrim-panjakana samihafa ho fanajana ny sonia natao sy hirosoana any amin’ny Repoblika faha-4. Fa ny fandehan-javatra tao ho ao dia toa afa-misaraka mihitsy ny sonia sy ny fanatanterahana azy.

Ny soatoavina malagasy anefa, hoy ihany ity mpikambana amin’ny Kongresy ity, dia miorina tanteraka eo amin’ny fanajana ny teny nomena. Mikasika ny fiakaran-dRajoelina teo amin’ny pilipitran’ny Firenena Mikambana farany teo indray dia nilaza i Zabofigera Dox Didier fa na midika fankatoavana iraisam-pirenena ireny na tsia, dia nilaza mazava izy fa misy lafiny roa ity resaka fankatoavana ity dia ny “reconaissance de fait” sy ny “reconaissance de droit”. Ka iny tany New York iny, hoy izy, dia “reconnaissance de fait” fahitan’ny rehetra fotsiny fa io ilay olona. Ny “reconnaissance de droit” kosa, hoy ihany izy, dia miteny mivantana mihitsy ny iraisam-pirenena ka ny firenena tsirairay no manao an’izany. Ataoko fa tsy mbola misy izany hatreto.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT