Manararaotra ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana loholona ry minisitry ny tetezamita isany Rakotoarison Yves Aimé sy Reboza Julien isehoana amin'reo olom-boafidy amin'iny faritra Anosy iny, manao fampielezan-kevitry ny HVM.
Rakotoarison Yves Aimé moa manao izay faraheriny noho izy mikendry toerana ambasadaoro, Reboza Julien kosa mitsapa vintana sao mba anisan’ireo hotendren'ny filohan’ny Repoblika ho Senatera na minisitra. Fampihorohoroana no betsaka tany amin’izay Distrika nolalovan’izy ireo, fa izay Ben'ny tanàna tsy hifidy HVM dia hosoloana Delegasiona Manokana (PDS) ary tsy homena “subvention” ny Kaominina tantaniny.
OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.