Politique

Vovonan’ny tanora tia tanindrazana “Tsy ra latsaka intsony no ilaina”


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Tsy vetivety ny vokatry ny tolona, hoy ny Vovonan’ny tanora tia tanindrazana ho an’ny fanovana na JPRM, nanatrika ny fahatsiarovana ireo lavo noho ny hetsiky ny 7 febroary 2009 tetsy Ambohitsirohitra omaly.

Tsy nisy ra very maina teto amin’ity Madagasikara ity na tamin’ny 1947 na 1972 na 1991 na 2009 fa ireny dia mbola hitsangana hiapanga izay nandatsa-dra tamin’izany, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo Jerry Rakotoarijaona, fa ho zezika hampiroborobo ny fandrosoan’i Madagasikara. Tsy ra latsaka intsony no ilaina fa fitiavan-tanindrazana satria fitiavana no lehibe indrindra. Ny filazana hoe latsaka an-katerena tanteraka ny firenena, angamba tsy dia izay loatra fa mandalo fahasahiranana tahaka ny firenena rehetra i Madagasikara amin’izao fotoana izao dia eo am-panarenana isika. Ny vina nifanaovan’ny filoham-pirenena tamin’ny vahoaka moa mbola eo, hoy hatrany ny JPRM, ka eo am-panatanterahana ny rehetra isika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT