Fifanandrifian-javatra ve sa nifanarahana fa nanomboka niverina nipoitra naneho hevitra tetsy Antaninarenina indray ireo vovonana politika ela tsy heno omaly.
Tao amin’ny Le louvre ny firaisankinan’ny Malagasy tia tanindrazana (CTEF), tarihin’ny filohany, Joseph Yoland, ary tao amin’ny Colbert ny vovonana itambaran’ny federalista (RFM) tarihin’I Max Fabien Andrianiriana. Isan’ny notakian’ilay iray voalohany amin’ny maha mpanolontsain’ny tanànan’i Nosy be hell ville ny mpitarika azy ny fitadiavan’ny fanjakana vahaolana hamerenana ireo tany lasan’ny vahiny any an-toerana ankehitriny. Tany mirefy 230 ha mahery ao Nosy be no voalazan’ity filoha ity fa namidin’ny fanjakana amin’ny vahiny ary efa nandefa fangatahana fandraisana andraikitra tany amin’ny fitondram-panjakana mahefa rehetra ny CTEF saingy mbola miandry hatramin’izao. Mila apetraka ao anaty lalàmpanorenana, hoy izy, ireo ny politika ekonomika mba hijerena ny tombontsoan’ny malagasy aloha vao miditra amin’ny fifidianana. Ho an’ny RFM kosa dia safidy miisa 3 telo no angatahany mialoha ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote dia ny fifidianana na fanovana lalàmpanorenana sy ny fametrahana rafitra federaly.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.