Vovonana SOCLE

> Miantso ireo kandida hanaiky izay valim-pifidianana eo


  • Sabotsy 28 Desambra 2013


Tsy nisy nampiavaka azy tamin’ireo nolazain’ireo mpanaramaso vahiny ny tatitra savaranonando nataon’ny teo anivon’ny SOCLE na Suivi et Observation Citoyenne pour la Limpidité des Elections, izay vovonan’ireo fiarahamonim-pirenena tahaka ny Acces Zon’Olombelona, Fisofizo, GASI, CEDII. Tahaka ireo vahiny nanara-maso iny fifidianana iny dia nanambara izy ireo fa nizotra tao anatin’ny fomba demokratika ny fifidianana tamin’ny 20 desambra teo iny. Na teo aza io nambarany fa filaminana io dia nilaza ihany koa izy ireo fa naharay fitarainana sy fitoriana koa mampanontany tena hoe nilamina tokoa ve ilay fifidianana sa fomba mahazatra ilay manao tatitra savaranonando mba hamoahana famatsiam-bola ka mba nanao izany koa izy ireo. Namoaka tsoa-kevitra maromaro ihany koa izy ireo tahaka ny tokony handraisan’ireo fiarahamonim-pirenena andraikitra be be kokoa eo amin’ny fampirisihana ny vahoaka handray andraikitra amin’ny alalan’ny fifidianana mba hampiakatra ny tahan’ireo izay nandeha nifidy, ny tokony hanatsarana ny fanapariahana ny fampitaovana ireo birao fandatsaham-bato mba tsy hiteraka olana hafa, ny tokony heneken’ireo kandida isan’isany izay mety ho valim-pifidianana mivoaka eo.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT