Politique

Vovonana politika ‘Lay Far Nivaky ho roa, nisy lasa niaraka amin-dRtoa Olga Rajoelina


  • Alarobia 15 Mey 2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Volana vitsivitsy lasa izay no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy Namontana ny fitsanganan’ny antoko politika Les Phares, izay ao anatin’ny Vovonana politika ‘Lay Far na ‘Lay fitiavana antsika rehetra, tarihin’ny filohany, Rafanomezantsoa Georges, ary nanamafy fa mijoro hatrany ho hery afovoany na «centriste» ary manana fotokevitra ho fanabeazam-boho ny lafiny sosialy sy mahaolona. Nanao fanambarana manokana kosa omaly ny antsoina hoe ‘Lay Far miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina fa mijoro hatrany izy ireo mandray anjara mavitrika miatrika ny raharaham-pirenena ary mifototra amin’ny lalan-tsaina miaro ny safidim-bahoaka. Adidy lehibe, hoy izy ireo, ny manao izay ahamari-toerana izao fitondrana izao amin’ny alalan’ny fahazoana maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena. Tsy vitan’ny fizahozahoana ara-politika eo amintsika antoko politika sy fikambanana maro samihafa mitovy fomba fijery manohana ny filoha Rajoelina sy ny fitondrana ankapobeny izany fa ilàna fanamafisan’orina fifankatiavana sy fiaraha-miasa feno fifanajana, feno fifandeferana mba tsy isika indray no hanao politika hanome vahana ireo mpifanandrina mpanohitra izao fanjakana izao. Ny fahendrena malagasy dia mitaiza antsika hanao akanga maro tsy vakin’amboa. Aoka isika tsy hanao fahadisoam-pamindra ara-politika fa tsy hitondra soa ho an’ny fitondrana niaraha-nametraka izany, hoy hatrany ny fanambarana. Nanamafy tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy 67ha, ankoatran’izay, ny filohan’ity ‘Lay Far miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina ity, Mamitiana Rakotoniaina, fa ambetin-teniny ihany koa nandritry ny fitsidiham-paritra nataony tany Moramanga sy Anosibe Anala ary Morafenobe vao tsy ela akory izay ny hoe tsy mivadi-belirano amin’ny filoha Andry Nirina Rajoelina ny ‘Lay Far miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina. Nilaza kosa tetsy ankilany ny filohan’ny ‘Lay Far, Rafanomezantsoa Georges, fa ho avy tsy ho ela ny fampahafantaran’izy ireo amin’ny haino aman-jery ireo tena mandrafitra marina izany vovonana izany mba hisorohana ny mety ho fisandohana. Azo lazaina ho nivaky 2 izany hatreto aloha ity vovonana politika ity mandra-piandry izany rehetra izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT