Politique

Vovonana politika Lay FAR “Hiteraka fikorontanana ny olana raha avela amin’izao”


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Tonga eto anivon’ny fihaonambe tarihin’ny FFKM ankehitriny ny vovonana politika Lay FAR, hoy ny filohany, Rafanomezantsoa Georges, omaly tetsy amin’ny foibe FLM Ambatovinaky.

Efa nilaza izahay, hoy izy, fa tsy maintsy handray anjara amin’ny raharaham-pirenena na iza mampiantso. Na sehatra anatiny io na iraisampirenena. Mijery ny fahitan’ny mpanao politika rehetra sy ny fiangonana ny raharaham-pirenena izahay hahafahana manapa-kevitra. Mba manana ny hetahetany koa ny vahoaka mpikambana ao aminay izay ahitana fikambanana sy antoko politika maro. Mitaraina manoloana ny olana eto amin’ny firenena ankehitriny ny vahoaka ary tsy tokony ho jeren’ny tomponandraikitra fotsiny izany fa maika ny vahaolana. Ny olan’ny JIRAMA izany fara faha keliny tokony lazaina hoe inona no tena olana fototra? Hiafara amin’ny fikorontanana ny olana raha avela amin’izao. Mety hitroatra ny vahoaka rehefa tsy mahazaka. Mino aho fa tsy misy manana tombontsoa amin’izay anefa isika ka adidin’ny tomponandraikitra no mamaha ny olana. Fototry ny fiainana izany rano izany. Tokony ho vahana ao anatin’izao ora itenenako izao izany olan’ny rano izany. Ny jiro mety afaka andeferan’ny olona ihany fa ny rano tena mila vahaolana miaraka amin’ny vava. Miankina tanteraka amin’ny JIRAMA ny fampandehanana ny sosialy sy toekarena eto amin’ny firenena. Tsy tokony ho tapahana mihitsy na aiza na aiza eto amin’ny firenena izany jiro sy rano izany. Mikasika ny fifidianana moa efa namoaka iny ny governemanta ka misokatra ho an’ny rehetra izahay. Zon’ny olona rehetra ny mirotsaka ary zon’ny vahoaka ny mifidy izay tiany. Afaka ifampiresahana daholo ny antoko politika rehetra, ny FFKM, ny governemanta mba hisian’ny fifidianana araka ny tokony ho izy. Tsy afaka hitondra samirery ny fiainam-pirenena ny Lay FAR fa mila mifampiresaka ny rehetra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT