Vovonana MMS sy Antoko Ilo Mada

« Atsaharo ny fikasan-dratsy hanimba ny PAN »


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

Namoaka fanambarana maneho fa manohitra marin-drano ny mety ho teti-dratsy samihafa

hoenti-manimba sy manao antsojay ny Filohan’ny Antenimierampirenana na ny PAN Rtoa Christine Razanamahasoa ny Vovonana MMS na «Mouvement pour la Majorité Silencieuse » sy ny Antoko Ilo Mada ny andron’ny omaly, notronin’ireo fikambanana samihafa mitovy hevitra aminy. « Manoloana ny savorovoro politika misy eto amin'ny tany sy ny firenena, misy ny fizirizirian'ny antoko politika sasantsasany dia hita taratra, hitanay, hitam- poko, hitam- pirenena fa nijoro sy nihaino ianao ary tsy nanao fitsarana mitanila fa nandray andraikitra mba hisian’ny fanelanelanana hialana amin’ny krizy izay tena lalina eto amin’ny tany sy ny firenena », hoy izy ireo mantsy ny PAN. Notsipihina fa tsy misy heloka amin’ny fiantsoana fifampidinihana hikaroham-bahaolana ho an’ny firenena. « Mitaky, mijoro ho mpanelanelana hatrany ianao ary miantso ny ray amandreny rehetra isan- tsokajiny mba hiara hitaky sy hikatsaka ny rariny eto amin'ny firenena », hoy izy ireo nankasitraka ny PAN. Nambara fa nametraka ny laza sy ny lanjan' izany Antenimierampirenena io Filohana andrim-panjakana io, mba hanjakan’ny antsoina hoe demokrasia. Noho izany, dia manao antso avo izahay, amin’ireo tompon’andraikitra maro samihafa izay manana fikasan- dratsy hanimba an- dramatoa filohan’ny Antenimieram- pirenena Christine Razanamahasoa nanomboka tamin’ny fanambarana izay nataon’ny ankolafin- kery rehetra manerana an’I Madagasikara mandraky ny mason’andro androany, fa mety hialàna amin’ny savorovoro, ny mba hanatsahatra tanteraka ny mety ho fanenjehana fa tsy hitondra fampivoarana sy fampandrosoana eto Madagasikara izany. Mijoro izahay hampanjaka ny tany tan dalana ary miaro ny fotokevitra hijoroan'ny filohan’ny Antenimieram- pirenena izay mikatsaka hatrany ny fisia'ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy ny fanambarana niraisan’ny MMS sy ny Ilo Mada.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT