Nijoro tamin’ny fomba ofisialy omaly 11janoary 20024 ny Vovonana
MAMITA na « Malagasy Miaro ny Tanindrazana, araka ny fampahafantarana ofisialy tetsy Bel’Air. Mijoro amin’ny foto-kevitra lehibe maromaro, ka ho an’ny lafiny ara-politika, dia ny famerenana an'i Madagasikara ho tany tan-dalàna. Foto-kevitra ara-tsosialy ny hiady ny hitondra vahaolana amin'ny fahantrana lalina mahazo ny vahoaka sy ny firenena Malagasy. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena kosa hy hamongarana ny tsy maty manota sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Ho an’ny ara-kolotsaina, dia ny famerenana ny hasin'ny tany, ny mahaolona eto Madagasikara. Hisy ny rafitra hifampitondrana ao anatin'io MAMITA, dia ny Komity mpanatanteraka, Voamera isan-karazany, Mpitarika ifotony (Chef d'Antenne). Nambara fa misokatra ho an'ny Vahoaka Malagasy rehetra manerana izao tontolo izao ity Vovonana ity. Miantso ny tia tanindrazana rehetra mba hifanome tànana hiara- hanavotra an'i Madagasikara, hoy izy ireo. Efa mazava ny foto-kevitra fa miomana amin’ny zavatra hatao ity MAMITA ity raha ny nambaran’ireo mpitarika. Isan’ny tazana ao anatin’ity moa ireo mpitarika ny vovonana RMDM, saingy nilaza izy ireo, fa ny RMDM dia antoko politika no mijoro ao anatiny, fa ity MAMITA ity kosa dia mivelatra ho an’ny olom-pirenena rehetra na mpanao politika na tsia. Araka izay anarany izay, dia HAMITA ireo tolona tsy vita teto amin’ny Firenena mba hanavotana ny firenena niainga tany amin’ny tolon’ny 1947, 1972, 1991, 2002, 2009,… Nisy ny foto-kevitra lehibe tamin’ireny tolona samihafa ireny, kanefa i Madagasikara milentika kanefa ny Nosy Maurice, nosy Comores,… lasa lavitra. Tao anatin’ny 5 taona nitondran’I Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian dia tena nihetry i Madagasikara, ny volamena miondrana, ny lavanila tsy lafo, ny vidim-piainana tsy voafehy,… ka tsy mendrika an’i Madagasikara izao, ary izay no hiantsoana ny Malagasy hanavotra ny firenena. Mbola tsy vita ny fanavotana an’i Madagasikara, ka izay no himasoanay, hoy Atoa Tabera Randriamanantsoa isan’ireo lohandohan’ny mpisorona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.