Vovonana KFIM

Nisintaka ny ARN, niala tsy


  • Alakamisy 30 Jolay 2026

ho filoha lefitra i Hasina Raveloson

Nandao ny vovonana Komity Fanarenana Ifotony an'i Madagasikara na KFIM ny antoko Antoko Repoblikana Nasiônalista (ARN) tarihin'i Dr. Hasina Raveloson. Ity farany izay nametra-pialana tsy ho filoha lefitry ny KFIM Faritany Antananarivo ihany koa. Nanao fanambarana manamafy io fisintahana io ny birao nasionalin'ny KFIM tamin'ny alalan'ny filohany Elia Rabevahiny. "Tsy fitovian-kevitra momba ny fizotran'ny raharaham-pirenena", no nambaran'i Dr Hasina Raveloson ho anton'izao fametraham-pialany sy ny fisintahan'ny antoko ARN izao. Nilaza koa ity Mpahay tantara, sady mpikaroka eo amin'ny sehatry ny fampianarana ambony, no mpandinika ny raharaha politika malagasy ity fa "mitazona toerana eo afovoany (Centriste) ny ARN tarihiny, satria heveriny fa nanomboka ny 17 Oktobra 2025 dia ny Fanavaozana sy ny "Orange" no andry roa lehibe mandrafitra ny tontolo politika eto Madagasikara".
Jean D.
Dr Hasina Raveloson, filohan'ny antoko ARN
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT